Politique

Radanoara Julien Hihamafy ny krizy raha toa ka…


  • Zoma 17 Jona 2011


Karazana toromarika iny nataon’ny SADC iny fa tsy mbola fanapahan-kevitra, hoy Radanoara Julien, mpampianatra ary manampahaizana manokana amin’ny resaka fifadraisana iraisam-pirenena. Tsy voatery hanaraka izany isika, hoy izy. Isika anefa tany mahantra ka mety hisy fiantraikany goavana ho antsika ny tsy fanarahana izany na dia mbola toromarika ihany aza. Mety hihamafy, ohatra, ny sazy toy izay fanambaran’ny Parlemanta Eoropeanina. Mety hiteraka fitokana-monina ara-diplomatika izany. Hisy fiantraikany io eo amin’ny sehatra sosialy sy toekarena, hoy ihany ity manampahaizana ity satria ho tapaka avokoa ny fanampiana ara-bola rehetra.

Dia hihamafy ny krizy. Fanontaniana moa no napetrany raha toa ka tena izay tokoa no tadiavintsika. Ny atahorana manko, hoy izy any amin’ny farany dia hodidian’ny olona isika ary dia hanana zo hitsabaka amin’ny raharaha anatiny izy ireo. Manoloana izany ary dia miantso ny rehetra ny tenany mba hitady vahaolana amin’ny alalan’ny fiarahan’ny rehetra midinika. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT