Politique

Radanoara Julien Hampikorontana ny filatsahan-dRajoelina


  • Talata 18 Desambra 2012

Tonga amin’ny tanjona niriany ankehitriny ny Frantsay satria tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana, hoy Radanoara Julien, manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.

 Araka ny fahitany azy dia efa hatry ny ela no niketrika an’io i Frantsa, ny mety ho tohin’ny raharaha izao, hoy ihany izy dia mety hikaroka ny fomba rehetra hanilihana an’i Andry Rajoelina indray ny Frantsay satria amin’izy ireo dia mety efa tsy atokisana intsony satria lozotry ny fahefana na voan’ny «usure du pouvoir» i Andry Rajoelina nandritra izay telo taona sy tapany izay. Raha ny fandinihan-dRadanoara Julien azy ihany dia navoaka ilay fironana «ni…ni» mba hitsapana ny hevitry ny mpanao politika sy ny olon-tsotra, ka rehefa hita fa mety hahomby ihany ilay izy dia io fa efa natomboka io ny fampiharana azy.

Azo heverina, hoy ity manampahaizana ity fa hifanaraka amin’izay olona mety hasolo an’ingahy Ravalomanana sy Rajoelina ny Frantsay sy ny Amerikana, atsy ho atsy ka dia io olona io no ho filoham-pirenena vaovao eto. Izy moa dia mahita fa tsy hitondra filaminana eto mihitsy ny firotsahan’i Andry Rajoelina, satria raha ny fahitana ny zava-misy dia efa tsy mankasitraka izany ny sehatra iraisam-pirenena. Afaka manao di-doha hirotsaka ihany anefa i Andry Rajoelina dia hilaza hoe firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, saingy ho sahirana amin’ny fahazoana famatsiam-bola sy fiaraha-miasa avy any ivelany ny fitondrana amin’izay, hoy ihany ny fanazavany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT