Tsy mety vita fa dia misy vaovao mipoitra foana ny olana eny amin'ny oniversite, ary hita fa tsy nety nahavaha ny olana mihitsy ny minisitra rehetra nifandimby teo. Nahazo teny mahery tamin'ny mpampianatra mpikaroka noho ny vavabe nataony ny minisitra teo aloha Tongavelo Athanase ary nahazo fanakianana mavaivay avy tamin'ny mpianatra ihany koa. Minisitra vaovao dia tsy iza fa ny profesora Rabesa Zafera Antoine indray no nampitantaina ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony nanomboka tamin'ny martsa 2011, saingy ny teo ihany no niverina satria tsy mbola voavaha hatrany ifotony ny olan'ny oniversite.
Nisesy ny fitokonana nataon'ny mpampianatra, ny mpandraharahan'ny oniversite sy ny mpianatra. Resa-bola avokoa moa no anton'izany. Nanomboka ihany anefa ny fampianarana rehefa natao ny fifampidinihana, dia izao miseho izao indray ny olana hafa satria notapahan'ny Jirama ny jiro noho ilay roa miliara ariary mahery tsy voaloan'ny oniversite. Dia manangasanga indray ny hetsiky ny mpianatra, ary tena mahalasa fisainana mihitsy hoe : f'angaha moa tsy efa fantatr'Ingahy minisitra io trosa io tamin'izy nandray ny ministera no tsy efa nikaroka vahaolana, fa izao efa mandeha izao ny taom-pianarana vao tapaka ny jiro ?
Dia tena tsy azo nosorohana mihitsy ve izany, na dia hoe nanaovana fivoriana manokana niaraka tamin'ny praiminisitra sy ny ministeran'ny angovo miandraikitra ny Jirama ? Ary raha efa nisy izany fa tsy nahomby dia nahoana no tsy notsorina tamin'ny filohan'ny FAT dia azony nalamina tahaka ny nataony tamin'ny mpitsara sy ny mpampianatra mpikaroka ? Maro no mahita fa tokony hanaja tena dia hametra-pialana ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony rehefa tsy mahavaha ny olan'ireo oniversite 6 satria toa miala an'Ankatso dia miditra an'Ambohidempona ny fifandimbiasan'ny krizy eny izay tena hiteraka voka-dratsy amin'ny fianaran'ny zanaky ny Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.