Politique

Rabenirina Jean Jacques Atosika mafy ho Praiministra


  • Zoma 01 Oktobra 2010

Hatramin’ny alarobia hariva nitohy omaly tontolo dia efa nahoraka hatreny Ambohitsorohitra ka hatreny Mahazoarivo fa Rabenirina Jean Jacques no hasolo an’i Vital Camille. Araka ny tapaka teny Ivato nandritra ny Fihaonambem-pirenena mantsy, hono, dia ny mpanao politika no manolotra izay mety hatao amin’izany toerana izany ka ny filohan’ny FAT no manendry azy.

Atao, hono, satria tsy mbola misy mahalala marina izay tena tatitra nataon’ny Raiamandreny Mijoro teny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Toa tsy mahagaga ihany, araka izany, ity faniriana hanendry an’ity olona ity satria ny mpitarika ny Raiamandreny Mijoro moa efa avy amin’ny antoko AVI rahateo. Ny lehiben’ity antoko ity, rahateo sady mpikambana ao amin’ny FAT no mpanolotsaina politikan’i Andry Rajoelina, ary mitondra ny baolina eto raha ny resaka mandeha. Anisan’ireny ny nanendrena ny olon’ity antoko ity natao ho filohan’ny Filankevi-panjakana, Ramilison Max. Izao indray izany dia hatao praiministra ny olon’ny AVI iray, izay mambra ao amin’ny birao politikan’ny antoko no mpikambana FAT ary efa ministry ny fizahantany sy ny kolontsaina tamin’ny fitondrana Ravalomanana ihany. Raha izao no mitohy dia ho AVI daholo izany ny mpitondra eto an-tanàna. Ara-bakiteny koa ny hoe : AVIa amin’izay, miampy ny hoe Madagasikara antsika jiaby, nasain’ny Raiamandreny Mijoro natao tsianjery teny Ivato nandritra ilay fihaonambem-pirenena iny. Ho hita eo ny fahombiazan’izany tetikady izany raha hamaha ny fahasahiranan’ny Malagasy. 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT