Sady efa karamaina lafo no andaniana volam-bahoaka, nefa manao toetra tsy mendrika manalabaraka ny firenena malagasy any ivelany any.
Diplaomaty teratany Malagasy iray miasa any Canada no tratra nitondra fiara nefa mamo. Nihoatra ny fetra azo leferina ny tahan’ny alikaola tamin’ny vatany. Tamin’ny 13 oktobra 2015 izy no tratra, niakatra fitsarana tao Gatineau - Québec ny talata 6 septambra 2016 teo ny raharaha, saingy nandà ny hanala ny zo tsy azo enjehina an’ilay diplaomaty gasy io ny fitondrana Malagasy, tamin’ny alalan’ny Ambasady Malagasy ao Ottawa, ka dia nidaboka any aloha iny afera iny. Izy rahateo narovan'ny ambasadaoro Horace Constant fa hoe : arovan'ny “Convention de Genève”. Famindran-toerana politika no nahatonga an’i JLC any Canada, izy moa zanaka lehiben’Andrimpanjakana anisan'ireo nanongam-panjakana tamin’ny 2009. Taratry ny zava-misy eto an-toerana ihany ny mitranga amin’ny masoivohontsika any ivelany any. Olona efa mandika lalàna, nefa arovana. Mandratsy endrika ny diplaomasia Malagasy ity tranga ity. Nandeha tamin’ny fahitalavitra sy radio ary nivoaka gazety tany Canada rahateo io vaovao io, ary miseho indrindra ao ankatoky ny fampahafantarana ireo diplaomaty matihanina vaovao, hatao etsy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy amin’ity andron’ny zoma 9 septambra 2016 ity. Milaza i Pr Patrick Dumberry, mpampianatra lalàna ao amin’ny oniversiten’i Ottawa fa azon’i Canada ny mandefa mody an-tanindrazany an’ity diplaomaty ity rehefa voalanjalanjany ny mahatsara na maharatsy izany. Inona no mety ho fiantrakan’io eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Canada, eo amin’ny fiaraha-miasa, ara-barotra, fampiasam-bola ... Ny fitrandrahana fasimainty any Tolagnaro no anisan’ny fiaraha-miasa lehibe ifamatoran’i Madagasikara amin’i Canada.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.