Politique

PSRI Tsy maintsy soloina ny praiminisitra


  • Alatsinainy 27 Jona 2011


 Nanamafy hatrany tamin’ny faran’ny herinandro teo ny «Plate forme pour la stabilité et la reconnaissance internationale (PSRI)» vovonana ho amin’ny fitoniana sy fankatoavana iraisam-pirenena tarihan’i Gilbert Raharizatovo fa fitaovana fotsiny ihany mikaroka ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ny SADC ary raha misy ny tena fanapahan-kevitra manankery dia ny mivoaka aorian’ny fivoriamben’ireo filoham-panjakana fa tsy izay ambaran’ny mpanelanelana akory.

Ho an’ny PSRI dia tokony hosoloina ny praiminisitra Camille Vital satria tsy mahafeno ny fepetra takiana amin’ny vanim-potoana tetezamita. Araka ny fanazavan’i Gilbert Raharizatovo ihany dia olona mitovitovy amin’i Guy Willy Razanamasy tamin’ireny taona 1991 ka mahavita mampihavana sy mampifandray ny ankolafy politika rehetra no tokony hotendrena ho praiminisitra, ovaina ny governemanta avy eo ka hanana solontena ao ny vondrona politika rehetra dia hilamina ho azy ny firenena, hivaha ny krizy ary ho tonga ny fankatoavana iraisam-pirenena dia hiverina ireo fanampiana miato hatramin’izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT