Politique

Propagandy – Fitsapan-kevi-bahoaka Ny sefo Fokontany no hiantoka ny “panneaux”


  • Zoma 01 Oktobra 2010

Namory ireo sefo fokontany tao Antsirabe I ny lehiben’ny distrika omaly. Ny fanomanana ny fifidianana ho avy, indrindra ny fiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka, no lahadinika tamin’izany.

Nibaradaka ny mpampivory fa dia vola iray tapitrisa ariary ihany no tetibola hanomanana io fifidianana ho avy io. Tsy misy vola, na tsy nivaky mivantana izany aza ny avy amin’ny distrika. Manaporofo izany ny fiangavian’ity farany ireto sefo fokontany ireto, mba samy hividy hazo fisaka handrafetana ny takela-kazo fametahana afisy rehefa fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Ahoana no hahatanterahan’izay, ny tambinkarama efa-bolan’ireto sefo fokontany ireto aza tsy naloan’ny FAT ? Fa vaky ambatolampy nandritra io fivoriana io koa ny tsy fahalavorarian’ny lisi-pifidianana. Tsy tratra ny fanavaozana ka dia izay teo ihany no hampiasaina amin’io fitsapan-kevi-bahoaka. Io lisi-pifidianana io anefa no nanakianan’ireto mpitondra ankehitriny ireto ny fitondrana teo aloha, ary nanonganana azy mihitsy. Misisika hanao fifidianana ihany anefa ny FAT, ary rahampitso 02 oktobra no hisokatra ny propagandy. Fa ny nanaitra tamin’ity famoriana sefo fokontany tao Antsirabe omaly ity dia ny lehiben’ny distrika, izay fantatra fa efa nafindra toerana no mbola nitarika, sa tsy mety nanao famindram-pahefana ? Samy mitana ny sezany io e ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT