Politique

Propagandy ao Toamasina Tsy mahataitra ny olona


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Arakaraka ny hirosoan’ny FAT sy ny CENI ary ireo rantsamangaikany mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka, arakaraka ny maha antomotra ny daty hanaovana ny fifidianana, no toa vao mainka tsy maharototra ny olona. Toy ny tsy misy mihitsy aza ny fifidianana raha ny zava-misy andavanandro ao Toamasina no jerena. Hita taratra amin’ireo takelaka napetraka hametrahana ny fampielezan-kevitra ny tsy fahombiazan’ity fifidianana ity, na ny KME izay milaza fa mihetsika aza, zara raha misy afisy tokana mipetraka amin’ny takelaka iray izay mipetraka ihany koa anefa ampiharan’ny olona ny fahasorenany sy ny hatezerany, ka tsy maharitra andro iray akory dia rovitra. Ny KMT sy ny KTM izay tsy re mihitsy amin’ny fampielezan-kevitra sy tsy hita amin’ny takelaka no hita fa mbola mitazona ny laharana voalohany, tsy misy fanentanana akory natao dia efa samy mahalala ny ataony sy ny hotanterahany ny tsirairay.

Ny fandalovan’ireo mpanao politika maromaro ny faran’ny herinandro teo vao mainka nanamafy ny fientanam-pon’izy ireo mikasika ny tsy fandehanana mifidy sy ny fanaovana ny Tsia raha ho tonga hanefa ny adidiny ihany. Fa ny mahatsikaiky ao Toamasina ao izao, dia misy ity afisy lehibe napetraka ho an’ny Eny ity. Noheverin’ny olona fa fampisehoana rindran-kira madinika izy io, ka tao no niloa-bava mihitsy hoe «fa iza ny artista malaza hanafana ity rindran-kira be olona be ity». Ankoatra izay, mba miezaka mitety tanàna ihany ilay fiara tokana mpanentana ny Eny ao Toamasina, fa tsy mampiraika ny olona akory.  

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT