Tontosa ny alarobia 3 novambra lasa teo ny fampielezan-kevitra ankalamanjana voalohany nataon’ireo Komity Mpanohana ny Eny tao Ihosy.
Fampielezan-kevitra notarihin’ny Tale nationalin’ny Komity fampandaniana ny Eny ary nanafarana mpanankanto malaza avy any Iarivo dia i Lola. Vory maro ny olona, indrindra fa ny tanora satria fampisehoana tsy andoavam-bola, ny artista malaza rahateo ary andro tsy fianarana ny tolakandron’ny alarobia. Araka resadresaka nifanaovana tamin’ny olona dia hijery fampisehoana no tena anton-dia satria tsy ampy ny fialamboly eto an-tanàna. Tsy hihaino ny kabary fampandriana adrisa araka ny filazan’ny olona tafaresaka taminay no nahatongavany fa hijery Lola ary manaporofo izany ny trangan-javatra mahatsikaiky. Rehefa misy mikabary dia miala ny sehatra ny olona ary rehefa hihira indray ny mpanakanto dia miverina ny olona.
Nahavita niteny mihitsy moa ny mpanentana hoe: “antsangano ny banderole fa hihira i Lola ary ataovy ambony fa halefantsika TVM”. Izany hoe tambazana hira ny olona hanangana banderole fa tsy sitrapony. Nisy Ray sy Renim-pianakaviana nanontaniana moa dia nilaza fa mampalahelo ny zava-misy: “nahoana raha ny ampaham-bola tokony holaniana amin’io fampielezan-kevitra io raha anohizana ny asa tana-maro fanadiovana tanàna natomboky ny faritra ? Amin’izay ny tanàna hadio ary ireo ny sahirana hahazo vola kely hividianana vary izay efa 350 ariary ny kapoaka”. Sanatria, hoy izy ihany izy ireo tsy manambany ilay artsista satria ny fotoana toy izao no fikaraman’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.