Politique

Propagandin’ny ENY Miala any ny fitapitaka samihafa


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Rehefa tsy rototra sy tsy miraika amin’ilay fifidianana amboletra karakarain’ny Fahefana avon’ny tetezamita, toy ny handrosoany lalàmpanorenana hitsapana ny hevi-bahoaka, amin’ny 17 novambra ho avy io, dia mandeha indray ny paipaika miharo fitapitaka samihafa. Araka ny fampitam-baovao nataona sefo Fokontany iray ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, ao dia aelin’ny mpampandany ny ENY any amin’ny Fokontany any indray ny tsaho milaza fa raha te hiala amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia fidio ny ENY. Ny hafa indray koa manampy trotraka fa raha tiana hiala eo ireo mpitondra mampahory vahoaka ireo dia fidio ny ENY. Tsy atao mahagaga koa raha mandeha ny feo toy izany satria izay koa no mitory fa na izy mampandany ny ENY aza izany tsy mahalala akory ny antony anaovana izany, toy ny rehetra tsy mahalala izay antony niantsoana vahoaka haneho safidy amin’ny 17 novambra. Sanganehana ny marivo salosana manoloana ny tsaho aely toy izany. Zara raha mahavoa-drindrina ny mpanao propagandy any an-toerana, noho ny henatra sy ny tahotra ny vavam-bahoaka, dia manely tsaho io indray no atao paikady. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT