Politique

Profesora Zafy Albert «Tsy hisy hanaiky an’izao, tsy hisy fitoniana izany eto”


  • Zoma 04 Jona 2010

“Nahazo fanasana aho fa tsy nandeha tany”, hoy ny profesora Zafy Albert manoloana ny resaka fanangonana soso-kevitra ho an’ny lalŕmpanorenana karakarain’ny FAT eny Tsimbazaza.

Momba ny fihaonambem-pirenena hatao amin’ny tapatapak’ity volana ity moa dia nazava ihany koa ny valin-tenin’ny filoha Zafy Albert fa dia tsy handray anjara amin’izany ny ankolafy tarihiny. Ny zava-misy, hoy izy dia karazan’ny zavatra efa voavolavola no tadiavina holaniana ao, ary ireo olona lazaina fa zokiolona sy avy amin’ny fiarahamonim-pirenena dia olona avy amin’ny FAT daholo ihany ny ankamaroany. Tsy nifampierana tamin’ny ankolafy 3 koa ny fanendrena azy ireo. Izany dia midika, hoy ny profesora fa lalan-kevitr’olon-tokana ihany io. Momba ny vaomiera misahana ny fampihavanana dia nambaran’ny Pr Zafy Albert, filohany, fa dia mbola ao ny CNR ary tokony ho niasa tamin’ny volana desambra saingy matahotra azy ny FAT. “Tafiditra amin’ny resaka bois de rose avokoa ny ankamaroan’ny FAT ka izany no atahoran’izy ireo”, hoy ihany ny profesora nanohy. Raha tenierana io resaka io, hoy ihany izy dia hifankahita eo daholo ka izay no tsy haneken’ny FAT izany.

Ny olona any an-toerana koa tsy hisalasala ny hiteny ny anaran’izy ireo, hoy ity raiamandreny ity. Momba ny tetikasa fitrandrahana vy any Soalala indray izay noresahina betsaka tato ho ato dia nambarany fa efa ela no nisian’io tetiaksa io saingy ny tetezamita, hoy izy dia tsy afaka ary tsy manana fahefana hifanaraka amina firenena vahiny. Nohamafisiny fa tsy maintsy mandalo eo anivona antenimieram-pirenena sy governemanta izany. Mikasika izay ho tohin’ny fifampidinihana eo amin’ireo ankolafy indray dia nambaran’ny profesora fa mbola misy ny fanantenana momba izany, na i Frantsa aza, hoy izy, tsy afa-manoatra intsony fa dia manaraka izay hevitry ny rehetra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Sahirana isika, hoy izy, tsy hisy izay hoe “trève” izany eo. Etsy andanin’izany, momba ny hoe niala tsy ho filohan’ny ankolafy Rajoelina intsony i Andry Rajoelina dia ny ankolafy izany no hanendry izay hisolo azy, hoy ihany ny Profesora Zafy Albert nanazava izay voarakitry ny ‘lalàna’ izay. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT