Raha tsy dia re feo firy teo aloha kely teo ny profesora Zafy Albert dia naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena indray ny tenany ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany tamin’izany ary fa tsy mbola mazava ary manjavozavo be mihitsy ny zava-misy amin’izao fotoana, indrindra moa fa ireo fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) amin’ny famahana ny krizy. Tsy mbola hita taratra mihitsy ny fiaraha-mitantana sy ny fiaraha-miasa, hoy ny Pr Zafy Albert fa fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ihany no mbola misy eto. Nahitsy ihany koa izy niteny fa tsy mbola azo ekena ny CENI satria tsy azo antoka no sady tsy ahitana taratra ilay hoe eken’ny rehetra ary ahitana ny solontenan’ny ankolafy rehetra, araka ny nifanarahana teo amin’ny filohan’ny ankolafy efatra tany Pretoria, ary nambarany fa tsy nolavin’i Andry Rajoelina. Mikasika ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena indray dia nambaran’ny profesora Zafy Albert fa mbola mila fandaminana be izany satria samy te ho lohany izy rehetra. Nifandimby nihaona taminy tao amin’ny «Villa La Franchise», trano fonenany eny Ivandry Antananarivo, mantsy araka ny filazany ireo vondrona avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ka nahitany sy nahatsapany izany fifaninanana samy te ho mpitarika sy te ho lohany amin’ny zavatra atao izany. Ilaina anefa ny fifanarahan-tsaina tsara raha tena hanelanelana izany marina ny fiarahamonim-pirenena, hoy ihany izy.
Fa manodidina ny fitarazohan’ny famahana ny krizy kosa dia nanambara ity filoha teo aloha ity fa : «misy mahita tombontsoa amin’ny hampaharitra ny krizy eto, satria efa nahazo toerana ka mandray vola be isam-bolana. Ny mampanahy ahy dia sao sanatria ho lasa tahaka an’i Côte d’Ivoire isika, ka dimy taona mbola tetezamita ihany». Farany dia mbola namerina indray ny profesora Zafy Albert fa misy sori-dalana mazava, efa nekena sy nosoniavin’ny ankolafy rehetra hamahana ny krizy, dia ny satan’i Maputo izany. Tsy mitsipaka na manda velively ny fikaroham-bahaolana ataon’ny eto an-toerana ny tenako, hoy ny Pr Zafy Albert saingy aoka kosa izany hanaraka izay efa nifanarahana ka ahitana taratra foana ilay tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra, fa tsy tetezamitan’ankolafy tokana tahaka ny misy amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.