Politique

Profesora Zafy Albert Ho eny amin’ny Kianjan’ny Demokrasia …


  • Zoma 19 Novambra 2010

“Manohana tanteraka ny hetsik’ireo manamboninahitra sy ireo miaramila miara-dia amin’izy ireo eny amin’ny BANI izahay ato amin’ny Ankolafy Telo”, hoy ny profesora Zafy Albert, araka ny resaka nifanaovana taminy, omaly tolakandro.

Nanamafy izy fa “tsy sinema na fitaka araka ny tsaho aely etsy sy eroa ny mitranga eny amin’ny BANI Ivato fa zavatra tena matotra”. Tsy olon-kafa, hoy ny profesora Zafy Albert no mitaky ny fialan’i Andry Rajoelina sy ny FAT amin’izao fotoana fa ireo miaramila nametraka azy teo ihany, ary tsy sanatria resaka fankahalana be fahatany ilay izy fa noho ny fahatsapan’ireo manamboninahitra ireo ny fiantraikan’ny krizy mihamafy isan’andro any amin’ny fiainan’ny vahoaka. Hoy indrindra izy hoe : «Nanana andraikitra lehibe tamin’ny fandrombahana ny fahefana tany amin-dRavalomanana ny miaramila ka nahafahan’i Andry Rajoelina niakatra teo amin’ny fitondrana. Tsy mety mivaha anefa ny krizy ary tsy araka ny nampanantenaina ny vahoaka ny zava-mitranga, ka noho izany dia tsy maintsy mandray andraikitra mba hamahana izany indray ny miaramila».

Araka ny nambaran’ny Pr Zafy Albert ihany dia efa mazava be ny tenin’ireo manamboninahitra sasany teny Ivato nanao hoe : «Izahay no nametraka an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ary izahay ihany no hanala azy eo». Raha nanontaniana moa izy ny amin’ny hoe mety handefa solontena hihaona amin’ireto manamboninahitra ireto eny Ivato ve ny Ankolafy Telo, dia notsipihiny mazava fa “resaka miaramila no mitranga eny ary manana ny paikadiny ny miaramila ka aleo hanatanteraka izay hitan’izy ireo fa mety ho an’ny tanindrazana izy ireo”.

Manoloana ny resaka mandeha kosa fa hidina an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey na eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia ny Ankolafy Telo dia nanamafy ny profesora Zafy Albert fa “tena hisy tokoa io hetsika io, ary tsy maintsy tanterahana amin’ity herinandro ity !”. Rariny loatra, hoy izy raha hidiran’ny vahoaka ka hanehoany hevitra ny eo Ambohijatovo amin’ny maha Kianjan’ny demokrasia azy. “Tsy maintsy maneho ny heviny ny vahoaka fa tsy azo tapenam-bava lava izao”, hoy ihany izy. Farany moa dia efa maro be ihany koa ny fampitam-baovao natao any amin’ny faritany momba io hetsika eny Ivato io, hoy ny filoha Zafy Albert ka nanambarany fa “tsy andrana araka ny eritreretin’ny sasany io fa hetsika tena matotra ho fanavotana tokoa ny firenena”.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT