Politique

Profesora Ranjeva Raymond Mila fanetren-tena ny famahana ny krizy


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Efa tena ketraka tanteraka ny vahoaka Malagasy noho ny krizy lavareny, araka ny fahitan’ny profesora Ranjeva Raymond azy.

 Tsy afaka ny hiraviravy tanana anefa, hoy izy, na dia tsy nisy nahomby avokoa ny fampihaonana nataon’ny FFKM sy ny fanelanelanana notarihan-dry Chissano sy Simao. Araka izany dia manolotra vahaolana vaovao nomeny ny anarana “conciliation”, izany hoe fampihavanana indray ny tenany. “Resaka teknika no atao ka telo ny lalana arahana dia ny fampihavanana ny mpifanandrina, ny famahana ny olana ary ny fandaminana ny raharaha mampifanolana”, hoy ity filoha lefitry ny fitsarana iraisam-pirenena teo aloha ity. Mikasa hamory ny mpanao politika sy ny mpanao gazety hiady hevitra momba ny “conciliation” etsy Faravohitra ny tenany amin’ny 18 aogositra izao. Natsidiny sahady fa tsy resaka torapo fa fiaraha-madinika misy ny fepetra arahana no atao ka tsy hifandresy lahatra na koa hiady varotra ny mpandray anjara. “Tsy miankina amin’ny fahavitana sonia ny sori-dalana na tsia io fampihavanana io fa azo tanterahana foana”, hoy hatrany izy. Nohazavain’ny profesora Ranjeva Raymond koa fa tsy misy ifandraisany amin’ny Vonjy Aina izay izy ihany no namorona azy ity farany.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT