Politique

Pro Ravalomanana Tsy hanaiky lembenana intsony


  • Zoma 08 Febroary 2013

“Ny tafika sy ny mpanao politika no nanimba ny firenena teto ka tokony hifona amin’ny Malagasy”, hoy ny solontenan’ny fikambanana Pro Marc Ravalomanana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

 Tsy hanaiky lembenana intsony isika, hoy izy nanentana. Tsy azo ekena koa anefa, raha ny fanazavany, ny fitondrana miafina ambadika antokom-pivavahana. Tetsy andanin’izay dia nambaran’i Fanomezantsoa avy amin’ity fikambanana ity ihany fa mody mitabataba amin’ny CENI-T ny TGV kanefa faly ihany ambadika. Ny olana, hoy izy dia miady an-trano ny mpomba an-dRajoelina, ny CENI-T koa anefa tsy te ho tompon’andraikitra. “Hisy raha eto raha tsy tonga alohan’ny fifidianana ny filoha Marc Ravalomanana. Avereno izy fa tsy misy hiandry volana jolay izany eto”, hoy ihany i Fanomezantsoa izay niantso ny filoha Marc Ravalomanana hatoky ny vahoaka Malagasy. Ny Malagasy tsy hivadika aminao, hoy izy fa ireo mpanao politika no nivadika taminao. Nambarany ihany koa fa dia fanjakana iarahana mitantana amina jiolahimboto no misy eto amintsika. Manomana hetsika lehibe ity fikambanana ity amin’ny tapatapak’ity volana ity. 

 
Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT