Politique

Pro-Ravalomanana Mitsangana hampahomby ny tolona


  • Alakamisy 10 Janoary 2013

«Hatreto aloha dia tsy mbola tafaverina an-tanindrazana i Dada. Mila ampiakarina 5ème ny vitesse. Menatra ny filoha Ravalomanana aho satria ny isanjato kely nangatahiny tamiko, tamintsika tsy vitantsika. Ela loatra e !”, hoy i Fanomeza tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro omaly.

 Tsy resaka politika izy ity, hoy izy fa mila miseho ary mijoro avokoa izay tian-dRavalomanana rehetra, antsoiny hoe : “Pro-Ravalomanana”. Tsy ny ao amin’ny Magro irery manko no mila ny filoha teo aloha fa mielipatrana manerana ny Nosy izy ireo. “Hotairintsika izy ity ary ataontsika amin’ilay manara-penitra, amin’ilay mampahomby azy”, hoy ihany i Fanomeza. Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy atambatra ny hery satria rehefa tsy mbola tafaverina eto prezidà Ravalomanana dia tsy mbola mahavita azy isika, hoy izy nanamafy.

Nohamafisiny ihany koa fa “tsy Ravalomanana no hametraka ny tenany eo fa isika vahoaka no hamerina azy ho filoham-pirenena”, hoy i Fanomeza. Tetsy andanin’izany dia notakian’i Manoela Ralaimampisainarinony ny hanovana na hanamboarana ny lisitr’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. “Rehefa Rajoelina no miantso anareo dia tonga ianareo fa rehefa ety an-kianja tsy hita ianareo”, hoy izy. Tsy Rajoelina no hitolomana, hoy i Manoela fa Ravalomanana ka rehefa tsy hanao dia mialà.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT