Politique

Pro Ravalomanana Hihazo ny masoivoho Amerikanina eny Andranomena


  • Alarobia 30 Janoary 2013

Mitohy ny hetsika ataon’ny Pro Ravalomanana, firaisankinan’ireo mitaky ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy hamerina azy indray eo amin’ny fitondrana.

 Taorian’ny filanjana sorabaventy nataon’izy ireo nanoloana ny masoivoho frantsay tetsy Ambatomena ny alatsinainy teo, ho fanoherana ny fitsabatsabahan’ny Frantsay amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara sy fanehoana ampahibemaso koa ny fanoherana ny filazan’ny ambasadaoro frantsay vaovao eto Madagasikara, François Glodblatt, fa tsy tokony hiverina eto Madagasikara alohan’ny fifidianana Atoa Marc Ravalomanana dia hihazo ny masoivoho Amerikanina eny Andranomena ny Pro Ravalomanana anio alarobia 30 janoary 2013. Ny hany fantatra hatreto dia ny hoe : “hanatitra taratasy”. Tsy mbola nambara kosa ny votoatiny.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT