Tontosaina eny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha nanomboka omaly ny hetsika hateloana fanairana indray ny fanamboarana sy fanatsarana ny tranombako-paritra Mahafaly any Ampanihy Andrefana.
Tetikasa natomboka ny taona 2000 vinavinaina hotokanana amin’ny taona 2018 miaraka amin’ireo ivontoeran-kolontsaina masoivoho ao Betioky Atsimo, Ejeda ary Toliara II. Mampiavaka ny foko Mahafaly hatramin’izao moa ny fitandroana ireo fady izay mbola mipetraka sy voahaja toy ny fitazomana hazomanga. Ny tsy fahampian’ny fahalalana mikasika ny tantara sy ny kolontsaina misy eto Madagasikara rahateo no mahatonga ireo tranga mamotika ny fiarahamonina Malagasy toy ny fitsaram-bahoaka ankehitriny, hoy ny printsy vavy Zoendreniny Elakovelo Etsiosa nandritra ity fampirantiana fampahafantarana ny kolontsaina sy ny vakoka Mahafaly ity. Tsara mitodika amin’ireo loharano nipoirana sy ireo fomba amam-panao nolovaina tamin’ireo zokibe raiamandreny taloha ny vahoaka Malagasy, indrindra ny tanora. Fotoana izao hifampiresahan’ireo lehibe ara-drazana, mpitarika ara-pivavahana ary ireo tompon’andraikitra ara-politika eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny filoha nasionaly mpanorina ny FCRTM (Fédération des Communautés Royales et Traditionnelles de Madagascar). Vahaolana mahomby ny fihavanana Malagasy miainga amin’ireo dina na kolontsaim-paritra ifotony fa tsy resaka petatoko intsony.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.