Nitohy tao amin’ny Villa Elisabeth ny hetsiky ny Ankolafy telo omaly alahady 12 septambra. Hetsika manokana nokarakarain’ny avy ao amin’ny boriborintany faha-4 sy faha-6 izy ity, saingy nahavory vahoaka tokoa.
Nisy ny filaharana izay nanomboka teo am-pitan’ny vavahadin’ny kianjan’Alarobia ary nitanjozotra nihazo ity Lapan’ny fampihavanam-pirenena ity satria dia izay indray no anarana iantsoan’ny Ankolafy Telo ny Villa Elisabeth. Nandritra ny kabary nifandimbiasana no nanaovan’ny Dr Razafindrakoto Harison, mpandrindra nasionalin’ny ny Hery Politika Mitambatra (HPM) teny fampieritreretana ka nilazany fa “efa mikorontana sy mikorosy fahana ny ao an-tokantrano ka inona no tsy mbola hihetsehana?”. Hatao, hoy izy, ny fihaonambem-pirenena nefa ny mpizaika nofantenana nandritra ny Dinika Santatra tokony hiatrika azy io aza novaina. Manoloana ny resabe nandeha tato ho ato fa lefy ny Ankolafy Telo dia fanontaniana no nasetriny azy “raha poakaty tokoa ny Ankolafy Telo inona no dikan’ireo miaramila ireo ? Maninona no andefasana mpitsikilo aty ?” Nihalohalo teny manodidina tokoa mantsy ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fiara 4x4 sy kamio iray nandritra io fotoana io, ary nisy mpitsikilo koa tratran’ny olona tao amin’ny Villa Elisabteh.
Navoakan’izy ireo mora tao moa ity mpitsikilo ity. Hentitra ny Dr Harison nilaza fa “rehefa isika rehetra no miara-mamindra dia lasa io (rava ny FAT)”. Nanamafy izany ny nambaran’i Constant Raveloson, ka nilazany fa “rehefa miara-mihosina isika dia lasa io na tsy manana trompetra aza isika fa kiririoka sy tongotra, saingy mailo amin’ny mpihantsy ady sy mpanakorontana”. Tonga dia any am-bovonana kosa ny tenin’ny Printsy Elakovelo nilazany fa “ny Ankolafy Telo no lakilen’ny fankatoavana iraisam-pirenena ka tsy maintsy henoina ny Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Atoa Marc Ravalomanana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.