Politique

Printsy Elakovelo Misoloky izay milaza fa Arema hiditra Parlemanta


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010


Hiroso amin’ny fampiharana ny didy hitsivolana laharana 2010 – 010 tamin’ny 07 Oktobra 2010 manangana ny Parlemantan’ny tetezamita Misoloky ny FAT. Ity farany rahateo koa moa no nandidy sy nanapaka samirery izany. Narahina fitsinjarana seza io araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny ministra ny zoma 08 oktobra lasa teo. Manana toerana roa ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ny antoko Arema ary fito ao amin’ny Kaongresin’ny tetezamita. Manoloana izany dia nilaza ny Printsy Elakovelo, mpikatroka Arema, fa “mpisoloky izay olona milaza fa Arema nefa tsy notendren’ny SG Radidy ka miditra ao anaty Kaongresy sy CST”. Nanamarika koa ny Printsy Elakovelo raha nikabary tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo, fa tsy mbola nisy filoham-pirenena voaheloka mandra-pahafaty teto Madagasikara. Ny FAT no nampanao an’izany, hoy izy. Ny Ankolafy Ratsiraka dia milaza fa tsy maintsy miverina an-tanindrazana ny filoha roalahy : Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT