Politique

Printsy Albert II de Monaco Mitsidika fanintelony an’i Madagasikara


  • Talata 28 Febroary 2017

Hiompana betsaka amin’ny asa sosialy ny dian’ny printsy Alexandre Louis Pierre Grimaldi avy any Monaco eto Madagasikara manomboka anio ankoatra ny fihaonana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana Malagasy.

Anisan’izany ny fanampiany ny toby Akamasoa tantanin’ny mompera Pedro Opeka eny Andralanitra. Tafiditra ao anatin’ireo sehatra 3 lehibe sahanin’ny fikambanana «Association Monaco Aide» tarihany moa ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fanampiana ireo zaza marefo. Fitsidihana fanintelony izao tontosain’ny mpanjaka Albert II de Monaco eto amintsika izao taorian’ny taona 1997 sy ny taona 2003. Nanodidina ny 4.017.000 euros ny famatsiambola tetikasa avy amin’ity fanjakana ity teo anelanelan’ireo vanim-potoana ireo. Ny taona 2002 kosa no nisokatra ny masoivoho monegaska teto Madagasikara rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny fitondrana Ravalomanana izay ambasadin’i Monaco faha-104 manerana izao tontolo izao.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT