Politique

Princesse Yasmine Manakiana mafy ny “Dinan’i Melaky tsy mipoly”


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Raha araka ny fanambarana am-bava sy an-tsoratra nataon’ny Princesse Yasmine, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia itrangana olana ara-piarahamonina noho ny fampiharana ny dina ny any amin’ny faritr’i Melaky iny amin’izao fotoana.

 Amin’ny maha tompon’andraikitra eto amin’ny firenena azy moa dia tsy nitazam-potsiny ny zava-doza ateraky ny fampiharana ilay Dinan’i Melaky tsy mipoly ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Nampahafantatra ny zava-misy marina amin’ny manampahefana ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana izy ka nisy ny taratasy fitoriana ny lehiben’io Dinan’i Melaky Tsy Mipoly io nalefany any amin’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita sy ny praiminisitra ary minisitra maromaro sy ny tale jeneralin’ny Bianco. Nampiarahany amina horonan-tsary sy horonam-peo atao porofo moa ny zavatra ambarany rehetra. Araka ny fitantaran’ny Princesse Yasmine azy dia efa mihoatra ny fetra ny ataon’ireo milaza azy fa tompon’andraikitra sy manampahefana mampihatra ity Dinan’i melaky tsy mipoly ity satria tonga hatrany amin’ny famonoan’olona mihitsy izany. Nomarihany ao amin’ny teboka voalohany amin’ny taratasy nosoratany anefa fa tsy misy lanjany araka ny lalàna manankery eto amintsika ny Dina, ary tsy azo ekena ny fanaovana tsinontsinona ny solontenam-panjakana any amin’ny faritra dia ny zandary sy ny polisy ary ny fitsarana.

Raha ny zava-misy any Besalampy mantsy, araka ny filazan’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ihany dia manao izay tiany ary manjaka tokana mihitsy ny mitarika io Dinan’i Melaky tsy mipoly io sy ireo mpiara-miasa aminy. Misy mihitsy ny baiko hamono ho faty izay olona tsy manaraka ny toromarik’ilay Dina. “Tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy azo ekena ny fihoaram-pefy”, hoy ny Princesse Yasmine manohy ny fanazavany. Tsy misy, hoy izy, ny olona natao ho ambonin’ny lalàna ary tsy misy sy tsy ekena mihitsy ny tsy maty manota. Na iza na iza rehefa meloka dia ampiharana ny lalàna. Manamarika ao anatin’ny taratasy nosoratany ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity fa tsy nahazo anjara fitenenana mba hampitàna ity vaovao ity tao amin’ny TVM ny tenany satria, hono, nanome baiko hentitra ny lehibe fa tsy azo alefa ao ny zava-nitranga tany Besalampy. Manantena moa ny Princesse Yasmine fa handray andraikitra ireo manampahefana isan-tsokajiny manoloana ity fihoaram-pefy amin’ny fampiharana dina any amin’ny faritr’i Melaky ity.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT