Politique

Primatiora-Mpanao gazety Tapaka ny fifandraisana ?


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Tazonina amin’ny teniny ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Nihaona tamin’ireo tompona orinasan-gazety sy haino aman-jery, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo izy ny marainan’ny 20 aprily 2016, herinandro taorian’ny nahatongavany tao. Nandritra izany no nilazan’ny mpampiantrano fa “manaja ny fahasamihafana sy ny fanehoan-kevitra” samihafa ny tenany. Miantso kosa izy ny mba hanajana ny hasina mahaolona. Naneho fahavononana hanoka-baravarana ny mpanao gazety amin’ny fihazana vaovao eny amin’ireo sampandraharaham-panjakana ihany koa ny tenany ary nampanantena fa tsy hanavakavaka amin’ny fampahafantarana an-gazety ireo tsenan’asam-panjakana. Nanao fanamarihana mantsy ireo tompona orinasan-gazety tonga teny Mahazoarivo tamin’io andro io fa toa gazety fidifidiana ihany no amoahan’ny Fanjakana ireny tolobarotra momba ny tsenan’asam-panjakana ireny, fa tsy misitraka izany ny gazety rehetra. Nilaza ihany koa ny praiminisitra Mahafaly Olivier fa hatao fanao mahazatra ny fihaonana toy izao, isan-droa volana aza raha ny voalazany, hifanakalozam-baovao sy handrefesana ny dingana vita. Dingana mankany amin’ny fisokafana sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara raha tanteraka ka mitazona ny teniny ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, fa tsy manao resaka fampandriana adrisa fotsiny. Nangatsiaka ny fifandraisana, tapaka mihitsy aza taorian’ny fandanian’ny Parlemanta iny fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera iny.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT