Samy hafa mihitsy ny zava-kinendrin’ny fitondrana ankehitriny sy ny tamin’izany fotoana. Hita mihoa-papana izany ao amin’ny fitatanam-bolam-panjakana.
Raha nodradraina tamin’izany fa hitsitsy ny fanjakana dia akory ny hatairana raha namaky ny zavatra raketin’ny tranokalan’ny ministeran’ny vola mikasika ny vola lasan’ny prezidansa ankehitriny na ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Tamin’ny voalohan’ny volana janoary 2010 dia 65 miliara ariary teo no azony nolaniana fa nony taty aoriana dia niakatra 265 miliara ariary izany. Ny tena mahavariana anefa, ny ministera ambiny rehetra nidina avokoa ary very sasaka mihitsy aza ny teti-bolan’ny sasany. Ny ministeran’ny asa vaventy, ohatra, raha nahatratra 314 miliara ariary teny am-boalohany, dia nahena ho 131 miliara ankehitriny. Tsy mahagaga raha niharatsy avokoa ny lalana manerana ny nosy. Ny tao amin’ny tontolo iainana sy ny ala ihany koa no tena nisy fidinana be satria raha 71 miliara ariary izy teny am-piandohana dia nihena ho 14 miliara ariary sisa ankehitriny. Sao dia misy hifandraisany amin’ny fandripahana hazo sarobidy ihany izany, satria ahena ny volany amin’izay tsy mahavita ny asany ny tomponandraikitra isan-tsokajiny (?) Ny ministera ambiny amin’izany tsy hidirana antsipiriany fa dia nidina avokoa na ny fitsarana na ny fampianarana sy ny maro tsy voatanisa, fa dia voafehin’ny prezidansa avokoa ny volam-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.