Politique

Prezidan’ny Repoblika faha-4 Hamantana kitapom-bola foana


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Omaly tolakandro tany Toamasina nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka no nanambara i Andry Rajoelina fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy amin’ny 2018, ary manantena ireo tanora mba hifidy azy.

 Efa nahavita hira mihitsy moa i Andry Rajoelina nentiny nambaboana ny fon’ny olona indrindra fa ny tanora, ka namintinany fa eo am-pelatanantsika (tanora) ny hoavy. Nanararaotra ny fitokanana telo sosona tany amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana i Andry Rajoelina mba hanohizana ny propagandiny mialoha ny fotoana. Tsy kandida izy amin’ity taona ity fa efa manomana sahady kosa ny fifidianana amin’ny 2018, araka ny teniny. Hita fa tsara petraka ny kajin’ny zandry kely fa dia  ampiasainy araka izay itiavany azy ny fahefam-panjakana eo am-pelatanany, tahaka izany koa ny volam-panjakana izay volam-bahoaka hanorenany foto-drafitrasa etsy sy eroa mba hambaboana ny fon’ny olona, indrindra fa ireo tanora izay mety ho maro ihany no ho resiny lahatra ka tsy hisalasala ny handatsa-bato ho azy, afaka 4 na 5 taona.

Maro no mihevitra fa paikady politika efa voadinika tsara io ataon’i Andry Rajoelina io, hotohizany ny fanamboarana sy fanorenana fotodrafitrasa etsy sy eroa manerana an’i Madagasikara : hopitaly, kianja, «gare routière», lalana, trano filanonana, trano hanaovana fanatanjahantena, atsy ho atsy mety hamatsy vola hanorenana trano fiangonana koa izy, na hanorina sekoly. Fanasana atidoha ny olona ireny, mampisongadina an’izay nanorina azy koa ary efa zavatra mivaingana azo tanisaina rehefa hanao propagandy any aoriana any.

Tsy manana vola sy fahefana hanaovana tahaka zany ireo kandida rehetra hifaninana amin’ny fifidianana amin’ity taona ity, ary izay filohan’ny Repoblika faha-4 ho voafidy eo dia sady saron’ireo zava-bita «manara-penitra» no mety tsy afaka hanao tahaka izany, satria ho lany andro hanarina ny fahapotehan’ny firenena. Dia iny fa hampiasa ny serasera tahaka ny efa nataony hatramin’izay i Andry Rajoelina ka hilaza fa izy ihany no tena mahavita azy, «vahaolana». Hamantana firenena reraka ara-toekarena sy fanjakana tsy manam-bola izay mpitondra vaovao ho avy eo, ary tsy fantatra na mety manao fanahiniana mandany ny volam-panjakana amin’ny fanorenana etsy sy eroa mihitsy i Andry Rajoelina sy ny ekipany, amin’izay tsy afaka mihetsika firy sy tsy mahavita asa izay filoha vaovao voafidy ka handimby azy eo !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT