Politique

Pretoria : Nisy ny dingana vita Nihaona i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina


  • Zoma 30 Aprily 2010

Tanteraka tamin’ny andro faharoan’ny fihaonana ho famahana ny krizy eto Madagasikara ny fihaonana mivantana teo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Rajoelina.

Tao amin’ny Presidential Guest House na Lapam-panjakana afrikanina tatsimo no nisian’izany ny alin’ny alakamisy 29 aprily tokony ho tamin’ny folo ora alina. Izy ireo no heverin’ny maro fa lakilen’ny famahana ny krizy. Azo lazaina fa zava-dehibe ny nahatanterahan’io fihaonana io na dia mbola sarotra aza ny dinika. Ny fisiany dia mitory ihany koa fa nisy ny dingana vita nateraky ny finiavana politika teo amin’ny roa tonta hifanatona, hifampiresaka. Fifampiresahana izay tapaka ny volana desambra 2009 vokatry ny fanapahan-kevitra samirerin’i Andry Rajoelina. An-daniny dia azo adika ho fahombiazan’ny ezaky ny mpanelanelana ny nahatongavana tamin’izao fampihaonana izao. Anisan’izany ny nahatongavan’ny olona mitady ny fifampiresahana tany Afrika Atsimo. An-kilany, dia nanamora ny fahatongavana amin’izany koa ny naneken’ireo delegasiona rehetra hipetraka tamin’ny hotely iray tsy toy ny tany Addis Abeba sy Maputo. Fa nialoha ny fihaonana omaly anefa dia nisy ny fivoriana itambarambe niarahan’ny ankolafy efatra, izay samy nahitana mpikambana fito avy, notarihin’ny filohany avy tao amin’io Lapam-panjakana io. Mazava fa dia hiara-hidinika sy hanapa-kevitra ny amin’ireo tolokevitra sy soso-kevitra nangonin’i Joaquim Chissano, izay mpanelanelana ofisialy amin’ity raharaha ity, notendren’ny Vondrona SADC ny 20 jona 2009, izy ireo.

Fa tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny omaly dia nanamarika ny fotoana ny fihaonana manokana ataon’ireo mpanotrona sy mpanatrika tamin’ny filohan’ny ankolafy isanisany avy. Nifandimby niresaka tamin’i Andry Rajoelina ny sekreteram-panjakana frantsay miadidy ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, Alain Joyandet sy ny lehiben’ny mpanelanelana Joaquim Chissano. Tsy nisy nipika hatrany ny dinika tamin’izany. Fa resaka teny amin’ny lalantsara no nandrenesana fa manamafy ny tokony hisian’ny fifamelana sy ny fampihavanam-pirenena ny Pr Zafy. Ho an’i Marc Ravalomanana dia tsy azo ialana saingy asiam-panitsiana raha ilaina ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Mifameno amin’ireo ny an’i Didier Ratsiraka. Na izany aza dia henjana ny adihevitra. Porofon’izany ny nampiato ny diniky ny roa tonta teo amin’ny misasakalina fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, satria dia niziriziry tamin’ny soridalana nasesiky ny frantsay ny hananganana governemanta hirosoana amin’ny fifidianana i Andry Rajoelina. Nitohy ihany anefa ny dinika rehefa nisy fiatoana naharitra minitra maro. Raha misy ny zavatra tapak’izy roalahy mianaka ao dia mbola entina eo amin’ireo filoha roa hafa, dia ny Pr Zafy Albert sy Didier Ratsiraka izany hiaraha-manapaka, ka mety mbola hitohy anio ny fivoriana. Mety ho izay koa no namandrihan’ny mpikarakara ny hotely ipetrahan’ny delegasiona hatramin’ny sabotsy. I Marc Ravalomanana rahateo nilaza fa efa nivonona ny hijanona ao Pretoria mandra-pahita vahaolana ifanarahan’ny rehetra. “Tsy hanaiky ny vahoaka raha mbola handamoka indray ity fihaonana ity, ary tsy te ho tompon’andraikitra amin’izany aho”, hoy i Marc Ravalomanana. Ho hita eo ny tohiny.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT