Politique

Pretoria Mihenjan-droa ny tady


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Andro faharoa amin’ny dinika hikaroham-bahaolana amin’izay hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ity anio ity, any Pretoria. Hatreto dia mihenjan-droa ny tady.

Manamafy ny hampiharana ny Maputo sy Addis Abeba ny ankolafy telo, mamahatra amin’izany “protocole” avy any amin-dry zareo frantsay izany ny ankolafy Rajoelina. Raha tsiahivina dia tokony ho tamin’ny 10 ora alina, ora tany Afrika atsimo ny talata lasa teo no tonga tany an-toerana ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy 3, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert, raha toa tonga aloha kosa ny ankolafy Rajoelina. Omaly antoandro kosa vao tonga nihazo an’i Pretoria ny amiraly Ratsiraka Didier. Omaly àry dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo mpanelanelana tarihin’ingahy Joachim Chissano izay nanamafy fa ny tenany izany no hitarika ity dinika ity, ny frantsay sy ny filoha afrikanina tatsimo kosa dia mpijery sy manamora ny dinika fotsiny ihany. Raha ny lalàna eo anivon’ny Sadc rahateo moa dia tsy afaka hitarika fihaonana toy izao ny filoham-pirenena amperin’asa. Ankoatra izay, dia nihaona tamin’ny ankolafy misy azy ny filoha Marc Ravalomanana, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety koa ny tenany. Tamin’izany no nilazany fa “tsy mbola nisy mihitsy ny fifanarahana mialoha na ny fifanaovan-tsonia mialoha teo amin’ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana”.  

Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa misy fitsipika tsy maintsy arahin’ny rehetra. Anisan’ireo nangataka fihaonana taminy ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa Alain Joyandet sy ny masoivoho amerikana aty Madagasikara Niels Marquardt fa tsy azony noraisina izany, tsy azo atao noho ny fitsipika amin’ny fanelanelanana na koa mety mampandringa ny fanelanelanana izany. Hentitra ny Filoha Ravalomanana : “Ny fifanarahana efa tapaka sy natao sonia tany Maputo sy ny tovana fanampiny tany Addis-Abeba ihany no iaingana. Raha tsy izany dia tsy misy dikany ny zavatra atao aty”, hoy izy. Ireny manko no nametraka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita, nametraka ireo filoha mpiara-mitantana. I Andry Rajoelina anefa mikiribiby amin’izay soridalana milaza ny hananganana governemanta iombonana sy ny fifidianana izany. Tao anatin’ny fandaharam-potoana omaly, dia tokony ho nisy ny dinika sy fihaonana manokana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina kanefa moa hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola raikitra izany. Nisy ny dinika teo amin’ireo filoham-pirehana efatra saingy tsy nisy nipika ny dinika. Ankoatra izay, nialoha ireo dia efa nisy ihany fihaonan’ireo ankolafy 4 saingy tsy mbola nisy na inona na inona tapaka.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT