Betsaka ny asa fanakorontanana mitranga amin’izao fotoana izao, hoy ny prefen’Antananarivo, Angelo Christian Ravelonarivo, omaly, tetsy amin’ny prefektiora etsy Tsimbazaza.
Ankoatra ny asa fampihorohoroana izay efa manomboka tonga eto amintsika dia eo koa ny asa fanakorontanana politika isan-karazany. Nandray fanapahan-kevitra izahay avy eto anivon’ny prefektiora, hoy izy, ny hanafoana ny fahazoan-dalana nomena ny antoko Tiako I Madagasikara hanatanteraka ny fankalazana ny faha 15 taonan’izy ireo etsy Mahamasina amin’ny sabotsy. Tsy ity antoko ity akory no hoe hanakorontana fa ahiana ny isian’ireo mpanao politika sasany tsy mahazo olona hanararaotra ny hetsika ka hitarika any amin’ny fanakorontanana. Nisy, hoy ny fanazavany, ny loharanom-baovao izay antony mahatonga izao fisorohana asa fanakorontanana izao ary tsy mbola tara ny fanapahan-kevitra satria vao alatsinainy anio.
Mangataka alalana vaovao
Nilaza moa ny avy eo anivon’ny prefektiora fa azo atao ny mangataka alalana vaovao sy toerana hafa saingy anjaran’ny filankevitra no manome izay alalana izay. Taiza, oviana ary inona ary izay loharanom-baovao nahatonga izao fanakanana izao izay ? Nanetriketrika ary nitetezana tanàna tao Toamasina ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny antoko Arema tamin’ny taon-dasa saingy tsy nisy fanakanana kanefa dia tamin’iny taon-dasa iny no tena nitrangan’ireo asa fampihorohoroana toy ny teo Mahamasina sy tany Anjozorobe. Naninona koa no tsy nisy nosakanana ireo karazan-kaongresy nanerana ny faritra nataon’ny antoko Hery vaovao ho an’I Madagasikara tato ho ato?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.