Manomboka mivoaka matetika ao anatin’ny adihevitra eny Ivato amin’ny fihaonambem-pirenena ny tokony hanendrena praiministry ny marimaritra iraisana, izay eken’ny rehetra ary avy any anindran-tany.
Ao anatin’ilay vaomiera momba ny fitantanana ny tetezamita moa no handinihana sy hiadiana hevitra amin’izany. Notazonina ihany koa ny zavatra efa tapaka nandritra ny fifampidinihan’ny antoko politika, izany hoe ny filohan’ny tetezamita no manendry ny praiministra, avy amin’ny tolo-kevitra sy ny anarana naroson’ireo mpanao politika. Miha hita soritra amin’ny adihevitra fa maro no mitaky ny fanoloana ny praiministra, izany hoe tsy voatazona amin’ny toerany intsony i Camille Vital, na ahoana na ahoana mety ho fitrangan’ny raharaha aorian’ny fihaonambem-pirenena. Hita ho maharesy lahatra ny maro an’isa eny Ivato mantsy, eny fa na dia ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina ny fanoloana ity praiministra ity.
Amin’izy ireo mantsy dia tsy mpiara-mitolona tahaka an’i Monja Roindefo i Camille Vital, fa anisan’ireo mpijapy lamasinina fotsiny ihany. Voatazona amin’ny toeran’ny filohan’ny tetezamita kosa i Andry Rajoelina, na dia azo antoka aza fa hihena ny fahefany noho ny fisian’ny praiministra eken’ny rehetra. Fa nipoitra teny Ivato ihany koa ny soso-kevitra ny amin’ny hampidinana ho 35 ny taonan’ireo manam-paniriana ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, saingy hita taratra tamin’ny adihevitra fa tsy maharesy lahatra ny maro an’isa ilay izy, na dia misy ihany aza no misisika mafy amin’ny hanekena azy. Na izany aza moa anefa dia mbola eritreritra tany anaty vaomiera avokoa izany fa ny fivoriana itambaram-be manomboka anio no handany izay fehin-kevitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.