Samy manana ny fomba fijeriny manoloana ny raharaha Andohatapenaka ny rehetra, anisany ny mpitondra.
Toa mifanipa-kevitra anefa ireo olom-panjakana eto amintsika. Atoa Narson Rafidimanana, minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fampitaovana dia tsy nisalasala nanambara fa maika ny asa eny Andohatapenaka ka nanomezany baiko tamin’ny fakana ireo kamiao tsy nanara-dalàna votazona teny Anosipatrana tamin-kerisetra sy fomba mamoafady. Atao amboletra ny fampiasana ny tany kanefa tsy mivaha ny olana. Ho an’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier kosa dia tsy tokony hiteraka fifandirana goavana toy izao ny raharaha fa zava-dehibe ny fakana ny hevitry ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fangatahana ny “certificat de situation juridique” any amin’ny Fitsarana. Tsy nisy kosa anefa izany nialoha ny fanapahan-kevitry ny mpitondra amin’ny fampiasana ity tany ity. Ny fanjakana rahateo tsy nampiseho ny antontan-taratasy mazava fa herim-pamoretana sy loham-boto no nenti-niady. Taty aoriana vao nivoaka ny taratasy petatoko manambara ny nanomezan’ny fanjakana ny tany ho an’ny orinasa Frantsay Total. Efa matetika anefa Atoa Marc Ravalomanana no nampiseho ny taratasy ara-dalàna mirakitra ny maha fananany madiodio ny tany eny Andohatapenaka izay nikipian’ny fanjakana tanteraka. Toa mampirisika ny mpiara-miasa aminy hanaja ny lalàna velona ny praiminisitra saingy tato ho ato dia hita ho tsy masi-mandidy eto amin’ny firenena intsony ka ny minisitra izay mbola ambaniny raha eo amin’ny arofenitra aza toa efa manao rano dikain’ny zinga. Midika ve izany fa efa manakaiky ny fotoana mety handakana azy na dia milaza aza ny filoham-pirenena fa tsy hisy ny fanovana governemanta? Izay mijoro hitandro ny fahamarinana sy ny rariny eo amin’ny fitondrana izany dia mety ho voadaka avokoa raha ny fahitana ny zava-misy ankehitriny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.