Andro sisa isaina amin’ny hitazonan’i Mahafaly Solonandrasana Olivier ny toerana maha praiminisitra azy, raha ny resaka mifamoivoy any an-dapa any.
Mazava ny hisian’ny fivakisana lehibe eo amin’ny fanjakana HVM, ary maro ny mety ho fitsimbadihan-javatra ato ho ato. Mahalala ny aferan’ny HVM amin’ny antsipiriany ny praiminisitra nanomboka hatrany amin’ny firotsahan’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny nahalaniany mandrak’ankehitriny, ary anisan’ny olona tsy mba voakitika mihitsy. Sarotra ny nanala azy na maro aza ireo efa tsy faly taminy noho izy voalaza ho mpandoto ny fitondrana tamin’ny alalan’ireo afera maro nahenoana ny anarany. Efa tena vaky tanteraka ny ady ary efa vonona hisedra izay hiseho kosa angamba ny filoha sy ny ekipany matoa tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao. Re hatry ny ela rahateo ny fifampiandrasana kendritohana teo aminy sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ka izay no tsy nahafahana nikitika azy na dia efa tany amin’ny taona 2016 aza ny nivoaka ny resaka amin’ny hanesorana azy saingy izao angamba vao tonga amin’ny tsotsorimamba hisarahana.
Fitsarana
Tsy vitsy ireo toe-draharaha nafampana efa zary lefin’ny ora sy ny fotoana no mety hifoha indray. Iankinan-javatra maro amin’ny aferan’ny fitondrana rahateo ity praiminisitra ity, ka anisany ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay nahenoana ny anarany amin’ny maha minisitry ny atitany azy ho mpiray tendro voalohany amin’io ramatoa io tamin’ireny afera maloto isan-karazany nahenoana ny anaran’ity mpandraharaha ity. Anisan’ny nitory azy ny vovonana politika DFP (Dinika ho fanavotam-pirenena) noho io afera io. Mbola novakian’ny mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Hetsika ho fahalalahana maneho hevitra tamin’ny alalan’ilay fandaharana « Tsy mahaleo ny sampona » ho setrin’ilay an’ny filoham-pirenena hoe « fotoam-bita » ihany koa ny mahatafiditra azy ao anatin’ny afera maloto. Ny fanehoan-kevitra sy ny fampiakaram-peo nataon’i Mahafaly Solonandrasana Olivier manoloana ny raharaha rahateo toa niendrika famakiana ady tamin’ny fitsarana, ary tsikaritra fa miaro fatratra an’i Claudine Razaimamonjy ny tenany, raha halalinina ny zava-nisy. Azo henjehina rehefa miala eo amin’ny andraikitra maha praiminisitra ary tsy manana fahefana hanao tsindry aloka intsony. Misimisy ihany ny dosie maha voatonontonona an’ingahy praiminisitra, eny fa hatrany amin’ny fifidianana loholona aza. Ny eo anivon’ny fitsarana dia miezaka mafy amin’izao fotoana mijoro mba tena hanao ny asany ka tsy hanaiky ny tsindry bokotra sy ny ramatahora ataon’ny manampahefana. Midika izany fa ho sahirana ity praiminisitra ity atsy ho atsy satria miandry azy amin’ny angady sy ny harona ny fitsarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.