Fifanandrifian-javatra sa inona ? Gina ny mpanjifa tao Tolagnaro ny zoma teo, raha handeha hiantsena fa nidangana tampoka ny vidim-bary, tafakatra 1000Ar-1100Ar ny iray kapoaka
. Nandalo tao an-drenivohitra Anôsy ny delegasion’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier tamin’io, niaraka tamin’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu, ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananera Monique ary ny minisitry ny indostria Chabani Nourdine. Roa volana lasa, raha nandalo tao an-toerana ny praiminisitra dia nilokaloka fa tsy tokony hiakatra ny vidin’ny sakafo ilain’ny mponina andavan’andro fa tokony hidina aza. Hatry ny omaly dia mbola niziriziry 600 Ariary ny kapoakam-bary. Karana no mifehy ny fandraharahana vary ao an-toerana. Vokatr’io dia maro no mihinana balahazo sy bageda ny olona aty.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.