Nitokana fotodrafitrasa tany amin’ny faritra Sofia, distrikan’i Port Bergé sy Port Bergé 2 sy tao amin’ny kaominina Tsarahasina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta,
Mahafaly Solonandrasana Olivier. Niara-dalana taminy ny minisitra eo anivon’ ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoha, Rafidimanana Narson, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Paza Didier, ny minisitry ny asa vaventy Eric Razafimandimby ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny ranomasina, Randrianarisoa Léonide Ylénia. Notokanana tao an-tampon-tanànan’i Port Bergé ihany koa ny tranompokonolona izay marihina fa izy io no lehibe indrindra manerana ny faritra Sofia, ny biraon’ny fananan-tany, ny biraon’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny kaominina Tsarahasina ary ny fitokanana ny baka fiampitana ao amin’ny reniranon’i Bemarivo, kaominina Port-Bergé 2. Mikasika ny fanesorana ny ben’ny tanàna any an-toerana, dia naneho ny lehiben’ny goverenemanta fa raha misy olom-boafidy tsy manaja ny lalàna dia tsy maintsy anarina. Tsy hifidianana tavan’olona na antoko politika izany. Maro ny mahita fa miezaka maka ny fon’ny olona any Sofia ny praiminisitra taorian’ny fanambaran’ireo sojabe, mpampiady olona ny tenany, ka tokony hoesorina amin’ny toerany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.