Nanokatra ny volan’ny Ramadan tetsy amin’ny Moske 67 ha ny sabotsy ireo mpino silamo. Tonga nanotrona teny an-toerana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Nitondra fanomezana toy ireo entana ilaina amin’ny andavanandro dia vary 7 kitapo, lafarina 10 kitapo, siramamy 5 kitapo, menaka 5 baoritra, ronono 2 baoritra ary macaroni 2 baoritra ihany koa ny tenany ho fanampiana ireo mpino hahatontosa ity fankalazana ity. Manaja ny fahasamihafana ara-pinoana amin’ny maha fanjakana laika azy ny governemanta Malagasy, hoy ny praiminisitra, ary mila avahana ny atao hoe finoana silamo sy ny fihetsika mahery ara-pinoana (integrisme religieux). Ity farany, hoy izy, dia tsy azo ekena ary efa mandeha amin’izao fotoana ny fanadihadiana, indrindra, ireny fikambanana ara-kolontsaina tsy ara-dalàna ireny. Manodidina ny 4 tapitrisa isa amin’izao fotoana izao ireo mpino silamo eto amintsika, izany hoe ny 18%-n’ny Malagasy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.