Niditra an-tariby nivantana nitafa tamin’ny vahoakan’i Toamasina nandritra ny hetsiky ny Rodobe ny alahady teo, ny filoha isany Zafy Albert sy Marc Ravalomanana.
Nanentana ny hanamafisana ny fiarahana, hampanjakana ny fihavanana sy ny firaisankina izy mirahalahy ireo fa betsaka ny fanakorontanan-tsaina atao amintsika izao. Nohamafisin’izy ireo koa fa tsy hisy krizy hivaha izany raha tsy mipetraka aloha ny fiaraha-midiniky ny rehetra, atao ny fampihavanam-pirenena ary tafajoro ny tetezamita tena izy handraisan’ny rehetra anjara izay hanomana ny fandaminana ho atao amin’ny rafitra hitantanana ny firenena, sy manomana ny fifidianana rehetra mifanaraka amin’izany.
Tetsy andaniny ny filoha Marc Ravalomanana dia nanamafy fa mody tsy misy fepetra izy. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy hisy zava-banona eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny tena demokrasia, ny falalahan’ny asa fanaova-gazety ary falalahan’ny fanaovana politika. Ny Profesora Zafy Albert indray tetsy andaniny nilaza fa “mifampiapanga ny samy FAT momba ny raharaha “bois de rose”. Hiafara amin’ny ady an-tranon’ny samy FAT ny zava-misy raha mitohy, ka vao maika ho loza hitatao amin’ny Malagasy ny vokany raha tsy misy vahaolana haingana hamaranana izao fitondrana izao”. Nanamafy ny fahavononany hanao sonia ny tondrozotra hasiam-panitsiana avokoa izy ireo, nefa manara-maso akaiky ihany koa ny zava-misy sao misy manova an-dalana ny fanapahana efa noraisin’izao tontolo izao hanavotana ny Malagasy sy i Madagasikara.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.