Politique

Pr Zafy sy ankolafy telo Nosakanana tsy hahazo hifanatri-tava amin’ireo gadra politika tao Antanimora


  • Zoma 04 Jona 2010

Tonga teny Antanimora, nikasa hitsidika sy hampahery ireo gadra politika ny delegasiona mafonja avy amin’ny ankolafy telo notarihin’ny Pr Zafy Albert, nahitana an’i Fetison Rakoto Andrianirina, Manandafy Rakotonirina, Mamy Rakotoarivelo, Tabera Randriamanantsoa, Miandrisoa Marcel, Lalatiana Ravololomanana, Raharinaivo Andrianatoandro, Ruffine Tsiranana … ny misandratr’andron’ny alakamisy 03 jona, sady fotoana famangian’ny besinimaro rahateo.

Nijanona ho faniriana ihany anefa ny azy ireo satria nisy ny teny midina tonga teny amin’ny mpiandry fonja tsy namela azy ireo hanatanteraka izany. Efa nampoizina ihany ny hitranga. Vao maraina mantsy dia efa tsy teo an-toerana ny lehiben’ny fonja ao Antanimora fa «nivory any amin’ny Minisitera», araka ny fanazavan’ireo mpiandry raharaha teny an-toerana. «Izay baiko voarainay ihany no tanterahinay, fa tsy mahatapaka izahay», hoy ny teny an-toerana raha nanazava tamin’izy ireo i Tabera Randriamanantsoa fa solontena, tarihin’ny Pr Zafy Albert, Manandafy Rakotonirina ary Fetison Rakoto Andrianirina no hiditra hihaona mivantana amin’ireo gadra politika fa ny ambiny kosa aty amin’ny besinimaro. Nanao tatitra tany amin’ny lehibeny ny mpiandry fonja iray, izay nampita fa «mila maka taratasy avy any amin’ny Fampanoavana eny amin’ny Fitsarana Anosy ianareo ka izay anarana voasoratra ao no mahazo miditra».

Niezaka nandresy lahatra sady nanazava i Mamy Rakotoarivelo, fa «filoham-pirenena voafidim-bahoaka ny Pr Zafy Albert, azy raiamandreny lehibe eto amin’ny firenena, tokony hanana zo hitsidika fa tsy halatra amin’ny sarambabem-bahoaka». Tsy nanaiky hatramin’ny farany, fa dia ny nanesika hatrany fa «teny midina» ny azy ireo ka «miala tsiny». Niezaka ny nanindry fo ny maro na nampisendaotra ihany aza ny fanakanana raiamandreny, diso fantatra loatra amin’ny fitoriana fampihavanana, ary tsy vitan’izay fa filoham-pirenena teo aloha, tsy hahazo hifanatri-tava amin’ny gadra politika sy hampahery azy ireo. Hita soritra teny amin’ny endrik’i Thérèse Zafy ny hadisoam-panantenana. Ny hany azon’ireto ankolafy telo ireto natao dia nametraka ireo vatsy tokony hatolotra ireo gadra politika, izay miisa 42 ao Antanimora. Nampanantena moa ny mpiandry fonja fa dia «ho tafita any amin’izay voasoratra homena azy ireo vatsy ireo». Na teo aza izany dia nilaza ny Pr Zafy fa hitohy eny Tsiafahy ny famangiana hataon’izy ireo ny gadra politika amin’ity anio ity. Miisa 38 izy ireo no any.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT