Niseho tamin’ny fahitalavitra tsy miankina RTA ny filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny fandaharana « Ny Marina » vokarin’ny Radio Antsiva ny sabotsy 15 oktobra 2016 teo.
Fandraisam-peo natao mialoha tany an-tranony no nalefa, ary hita ho efa mitambesatra aminy ihany ny taona, saingy tsy miova amin’ny nahafantarana azy, amin’ny teny tsy misorona mamotsipotsitra ny zava-misy ny Pr Zafy Albert, raha naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena. Nahitsy ny teniny nilaza fa « mila mahay mihaino » ny mpitondra raha te-hanarina izao toe-javamisy manahirana ny firenena izao. Aminy dia tsy izao fitondrana izao no hanao izany fampihavanam-pirenena izany, satria « zaza navelan'ny tetezamita ». Tsy nihambahamba ihany koa izy nilaza fa tsy filoham-pirenena no mitondra ny firenentsika ankehitriny. Mampieritreritra !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.