Politique

Pr Zafy Albert Hanao “Mada Raid” indray


  • Talata 18 Mey 2010

Hisintaka kely ny renivohitra indray ka hihazo an’i Mahajanga sy Antsiranana amin’ity herinandro ity ny Profesora Zafy Albert.

Hampahafantatra ny vahoaka any amin’ny faritra ny zava-misy marina sy ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny no anton’izao fitsidiham-paritra izao. Somary tara kely tokoa mantsy ny any amin’ny faritra sasany eo amin’ny fahazoana ny vaovao tena marina, mikasika ny zava-misy satria manjaka tokana amin’ny faritra sy ny distrika maro ny haino aman-jerim-panjakana, izay mitatitra fotsiny izay ataon’ny HAT, ary zara raha mandefa sombiny kely amin’ireo hetsika ataon’ny mpanohitra, na ny fanehoan-kevitra hafa, ankoatra ny an’ireo mpitondra eo anivon’ny tetezamita. Azo eritreretina ihany koa fa hanamafy ny hetsiky ny ankolafy telo any amin’izay faritra hotsidihany ny Profesora Zafy Albert, amin’ny fitakiana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fanoherana ny fitantanan’ankolafy tokana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia mety hitatra any amin’ny faritra hafa izao fanaovana tatitra ataon’ny Pr Zafy Albert izao, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT