Hiatrika fifidianana isika afaka telo volana raha ho tanteraka sy hajaina ny tetiandro napetraky ny CENI-T, niaraha-namolavola tamin’ireo manampahaizan’ny Firenena Mikambana.
Efa niohatra ny 20 no efa nilaza fa hirotsaka izay misora-tena ho “favori” sy hanavotra ny firenena latsaka an-katerena daholo. “Izaho Tsiavaliky, mpampianatra mpikaroka sady filohan’ny Dahalo Tonga Saina dia efa niteny mialoha efa elabe fa hisandratra ho kandidà ho filohan’ny repoblika amin’ny fifidianana hatao, atolotry ny vondrona Bemiray Firaisankina Mpanabe”. Ekena hoy ity manampahaizana mpamorina ny olympiade matematika ity ary marina tsy azo lavina tokoa ny hoe : “tokony ho avy amin’ny faritanin’i Toliara ny ho Prezidan’ny Repoblika fahefatra tapany voalohany, ka mianavara-doha indray ny ho fampandrosoana hatao an’i Madagasikara ary indrindra ny resaka tsy fandriampahalemana noho ny afitsoky ny asan-dahalo sy ny vono olona isan-karazany”.
Miady an-trano lava
Tombanana ho 10 amin’izao ny isan’ny mieritreritra hirotsaka raha ny avy any amin’ny Faritany Toliara fotsiny. Misy amin’izy ireo mpikarama an’ady politika faly sy mahazo tombontsoa amin’ny fanakorontanana. Ny ady an-trano koa tsy lazaina intsony amin’izao fa samy te ho lohany sy dadany avokoa. Manoloana izany dia antso avo no nataon’ny Pr Tsiavaliky Célestin, zanak’i Bezaha any amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. “Tsara ny hisian’ny fifanatonana, fifampidinihana, fifandaminana, fifanohanana, raha toa ka tena Fitiavana ny faritra Atsimo sy ny Firenena iray manontolo hampisy ny firaisam-pirenena sy ny firaisankinam-pirenena no manosika antsika samy te ho filoham-pirenena”.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.