Politique

Pr Raymond Ranjeva Tandindomin-doza ny firenena


  • Talata 05 Febroary 2013

Nanentana dinidinika narahina fifanakalozan-kevitra manodidina ny lohahevitra « Foloalindahy sy ny fanjakana tan-dalàna » tao amin’ny La Rotonde Besarety ny Profesora Raymond Ranjeva omaly.

 Olona avy amin’ny antokon-draharaha samihafa no nandray anjara tamin’izany. Nivoitra nandritra izany fa very anjavony fotsiny any ny vokatry ny “Assises militaires” notanterahina teny Ivato amin’ny taona 2009, zara raha nisy 3%-n’ny zava-tinapaka no mba nampiharina. Mitatao anefa ny loza manoloana ny fizarazarana misy eo anivon’ny foloalindahy malagasy sy ny fisiana vondrona mitam-piadiana amin’ny toerana maro eto amin’ny firenena ary eny anivon’ny ankolafy politika koa aza. Toe-javatra izay mety hitarika amin’ny ady saritaka raha mitarazoka tsy mety voavaha izao krizy izao. Nisintona ny sain’ny rehetra ny mpandray anjara tamin’ity dinidinika ity fa maika ny famerenana ny tany tan-dalàna, ary izay no hany lalana hamerenana amin’ny laoniny ny fitantanana, hisian’ny fitoniana eto Madagasikara.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT