Nitohy omaly ary tapitra omaly ihany ny fanadihadiana an’i Riana Ranjeva, zanaka vavin’ny Pr Raymond Ranjeva.
Navotsotra izy ny alina rehefa vita ny fanadihadiana azy teny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana. Ny rainy kosa indray, ny Pr Raymond Ranjeva dia naharitra adiny folo ny fihainoan’ny zandary etsy Ankadilalana azy. Fanohintohinana filaminana anatiny sy fanevatevana mpitandro ny filaminana no antony nitazomana ny zanany raha fanohintohinana filaminana anatiny kosa ny fiampangana ny rainy. “Ahiana ho niray tsikombakomba ary tao ambadik’ireo mpikomy tetsy amin’ny BANI izy ary nisy rahateo ny antontan-taratasy mety mifandraika amin’izany hita tao an-tranony. Mbola mandeha ny fanadihadiana. Ny amin’ny zanany indray dia fanevatevana mpitandro ny filaminana no tena nahatonga azy notazomina nanomboka ny alin’ny alahady teo. Efa niala tsiny moa izy dia navotsotray” raha araka ny fanazavan’ny kolonely Richard Ravalomanana izay lehiben’ny fanadihadiana ity raharaha ity.
Heverina ho amin’ny zoma izao raha haingana indrindra no hatolotra ny Fampanoavana izy mianaka. Manana 15 andro moa ny mpanao fanadihadiana rehefa raharaha goavana toy izao no iandraiketan’izy ireo. Raha ny lojikan’ity fampiantsoana sivily mpanao politika ataon’ny zandary etsy Ankadilalana ity mba hanaovana fanadihadiana dia voakasik’izany avokoa izay rehetra nanao fanambarana na kabary niantso miaramila sy izay nanana drafitra momba ny tetezamita. Hahazo fampiantsoana koa izany ny Pr Zafy, Monja Roindefo raha tsy hiteny afa tsy ireo ? Tsara ny manamarika fa mitondra vohoka i Riana Ranjeva izay notazomina tany amin’ny zandarimaria nandritry ny roa andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.