Politique

Pr Raymond Ranjeva Ambonin’ny didim-pitondrana ny didim-pitsarana


  • Talata 11 Jolay 2017

Tsy mazava amin’ny olom-pirenena hatramin’izao ny fihetsiky ny fitondrana foibe nanakana ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-15 taona niorenan’ny antoko Tiako I Madagasikara teny amin’ny kianjamben’i Mahamasina ny 8 jolay lasa teo.

 

 Miteraka resabe manokana kosa ny fandikan-dalàna nataon’ny prefen’Antananarivo tsy nanatanteraka didim-pitsarana. Tsy tany tan-dalàna i Madagasikara satria diso tanteraka ny fandikana lalàna fanohanana izay heverin’ny mpitondra ao an-tsainy, hoy ny profesora Raymond Ranjeva. Miainga amin’ny fanajana ny fandikana ny hevi-dalàna havoakan’ny sehatra sy ivontoerana hatrany mantsy ny tany tan-dalàna. Mitaky tamberina rahateo ny lalàna fa tsy fanamarinana safidy na hetraketraka, hoy ity Malagasy mpahay lalàna nitana toerana ambony teo amin’ny sehatra iraisampirenena ity. Eo anoloan’ny fitsarana irery ihany no ahitana io fisehoana tamberina io. Mitovy laharana sy saranga amin’ireo lalàna fidian’ireo Antenimiera ny didim-pitsarana ary eo ambonin’ny didim-pitondrana ny didim-pitsarana. Manana andraikitra avokoa noho izany ireo rehetra mpanatanteraka lalàna, araka ny fanamarihany.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT