Tsy tafandrimandry manoloana ny fivarinana an-kady sy loza amin’atambo manjo ny firenena amin’izao fotoana ny Pr Raymond Ranjeva.
Nahitsy ny teniny raha nanambara ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny Madagasikara, ka nilazany fa «fahefana jiolahimboto ary fanjakana tsy mahay miaina no eto». Ary manontany tena aza izy manoloana izany raha izay tokoa no anjara toeran’i Madagasikara sy sahaza ny Malagasy amin’izao faha-50 taona niverenan’ny fahatelovantena izao ? Nampiany fa marary ny firenena, ary very fanahy mbola velona ny Malagasy satria gejain’ny fanjakana sy ny mpanao politika ny fiheverana ny momba ny hoavin’ny firenena. Ny fahalalahana mihitsy no voadona ao anatin’izany ka anairany ny sain’ny tsirairay, sy anentanany ny rehetra fa tonga izao ny fotoana handraisana an-tanana ny raharaham-pirenena.
Tsy azo ankinina amin’ny hafa ny fitsaboana ny maharary ity firenena ity, ary tsy misy olona na Malagasy iray afaka mihambo fa hahavita samirery izany, fa mila fifanomezan-tanana, fiaraha-mientana ary firotsahana handray andraikitra ankitsim-po sy am-pitiavana marina. Notsipihiny mazava fa «tsy mbola tafiditra anaty tetezamita i Madagasikara». Nambarany fa manankarena olona isika, ary misy ny hevitra hivoahana amin’izao kizo lalovan’ny firenena izao fa tsy voatery haka tahaka ny nataon’ny firenen-kafa na koa hanaiky na hanaraka an-jambany izay aroson’ny hafa. Fanontaniana anefa no apetrany raha vonona marina amin’izany ny Malagasy ? Mametraka ahiahy ihany mantsy ny tenany satria raha tomorina akaiky ny zava-misy dia toa nozarina hatoritory manan’aretina ny Malagasy, ary koa notezaina sy nokolokoloina mba tsy hanan-kambara manoloana ny fahasahiranany, fa dia zary mionona lava amin’ny hoe : “izay ataon’ny mpitondra eo e !” sy “izay hitany fa mahasoa ao !”.
Finiavana
Tsy maintsy ravaina anefa izay toe-tsaina izay raha tiana ny hisy fiovana eto, hoy ny Pr Ranjeva Raymond. Hentitra ny teniny nilaza fa “tsy azo ekena ny igiazan’ny fanjakana sy ny mpanao politika samirery ny fitadiavana fanafana amin’ny aretina mikiky ny firenena amin’izao fotoana izao”. Misy ny fomba fiasa mazava ary efa voasedra hahafahana mandrava an’izany, araka ny filazany. Rehefa tratra izay dingana izay dia irosoana ny “fifampihavanam-pirenena” fa tsy “fampihavanam-pirenena” araka ny resahina ombieny ombieny. Nasiany tsindrim-peo manokana ny amin’io. Ny antony, araka ny nambarany, dia sady tsy misy adim-poko na ady an-trano na koa fandringanana olona mahatsiravina eto fa ady politika. Koa noho izay dia “fifampihavanam-pirenena” no vahaolana, mba tsy hisy hiseho ho mpampihavana indray mijoro eo, fa tenierana no hatao ary anatin’ny soatoavina Malagasy no anatanterahana azy, tsy afangaro resaka politika. Rehefa miravona io dia miditra amin’ny dingana fahatelo dia ny fametrahana rafitra matihanina. Ao anatin’izany ny fananganana “goverenamanta tokam-po”, tsy manan-tsafidy afa tsy izay hampahomby ny tetezamita ka hanao izay hahatanteraka an-tsakany sy ny an-davany ny fandaharanasa nifanarahana fa hotanterahina ao anatin’ny fe-potoana voatondro mialoha.
Ary voafaritra mazava koa ny anjara andraikitra sy takiana amin’ny tsirairay mandray anjara ao anatiny, mba tsy hisian’ny fiovaovan-kevitra eny antenantenan-dalana. Tsy fomba fiasa ao anatin’io “goverenamanta tokam-po” io ny marimaritra iraisana, mba hisorohana ny adivarotra lava. Ny vokatra mifanaraka amin’ny tanjona sy asa nofaritana no fepetra fandraisana anjara. Tsy maintsy “governemanta matanjaka” koa io ary “fanjakana mahery”, hoy ny Pr Ranjeva Raymond na izany aza dia tsy natao ho hery famoretana, fa kosa “mahatapaka sy mahefa”, miaina amin’ny soatoavina sy ny hasina maha fanjakana fa tsy mivadibadi-dela na fanapahan-kevitra lava. Tolo-kevitra moa no nataon’ny Pr Ranjeva Raymond, heveriny fa mety ho vahaolana amin’izao toerana lalovan’ny firenena izao. Ary izay no nilazany fa vonona izy ny handray andraikitra, hitantana ny tetezamita tena izy, raha heverin’ny maro fa izy no olona ilain’izao vanim-potoana izao. Nahitsy ny teniny fa tsy manam-paniriana na mihevitra na dia kely akory aza, hirotsaka ho kandida ho filoham-pirenena ny tenany, fa entanin’ny finiavana hanadio ny fomba fiheverana sy fanaovana politika eto Madagasikara, izay hiainga amin’ny fanadiovana mba tsy hisian’ny fanilikilihana ny hafa amin’ny fiheverana ny raharaham-pirenena.
Mpampianatra mpikaroka teny amin’ny ambaratonga ambony ny Pr Raymond Ranjeva ary mpahay lalàna sady Malagasy voalohany mpikambana tao amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena tany La Haye (Pays-Bas), niasa tany nandritra ny 18 taona teo izay. Manana traikefa amin’ny fandaminana iraisam-pirenena izy, ary anisan’ny nandamin-draharaha tao Zimbabwe.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.