Nosavaina ny tranony eny Ambaranjana ny harivan’ny alahady 21 novambra, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo.
I Riana Ranjeva zanany vavy sy ny vinantony (vadin’itsy voalohany) no mipetraka ao, izay nentina nalaina am-bavany teny Ankadilalana. Gazety mpivoaka isan’andro iray akaiky ny fitondrana avon’ny tetezamita nivoaka ny alatsinainy 22 novambra moa no nanondro fa mifaningotra amin’ilay raharaha BANI Ivato ny Pr Ranjeva Raymond, ka mety ho izay no nahatonga io fisavana trano io. Nahazo fampiantsoana hiseho teny amin’ny biraon’ny zandary Ankadilalana, sady foiben’ny Emmo-Reg izy mivady ireto hanaovana fanadihadiana omaly. Tonga teny tokoa izy ireo ary dia nandeha ny fanadihadiana, izay tsy nisy nipika aloha hatreto. Nony hariva dia nalefa nody i Marc Ratsialovanina, vinantolahin-dRanjeva, saingy nafindra ary voatana eny amin’ny sampan’ny zandary manao fikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana kosa i Riana, zanany vavy. Tonga teny Fiadanana ny fianakaviana ny hariva, nanaraka akaiky ny raharaha sady niandry sao mba ho afaka mody ihany ny havan’izy ireo, nefa efa nivimbina ny fitafiana ihany koa sao voatana.
Tonga teny ihany koa ny Profesora Ranjeva Raymond, izay niangavy ny hamelana ny zanany hody ary nilaza mihitsy aza fa izy tazomina fa aleo ny zanany hody, saingy tsy nanaiky ny tao Fiadanana. Nilaza ireto farany fa mbola misy fanadihadiana hatao amin’ity zanany vavy ity ny alina teo (?), filazana izay mahagaga nefa koa nampiahiahy ny fianakaviana ihany. Anio maraina amin’ny sivy ora kosa ny Profesora Ranjeva Raymond, izay mpitsara iraisam-pirenena sady filoha lefitry ny Tribonaly iraisam-pirenena tany La Haye no mpanolotsain’ny Papa Ray Masina momba ny fandriampahalemana, no nasaina niverina eny Fiadanana. Araka ny fantatra anefa, hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nahazo taratasy fampiantsoana ho amin’izany ny tenany, na dia nandeha aza ny resaka fa anisan’ny hatao fanadihadiana manodidina iny raharaha Ivato iny izy. Ny mpanadihady politika koa anefa mahita fa tetika ataon’ny FAT hanarontsaromana ny tsy fetezana mihoapampana tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka notontosainy ny alarobia 17 novambra avokoa io.
Ankoatra ireo tsy fahatomombanana samihafa nitranga tamin’ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana mantsy dia ampy hanafoanana iny fitsapan-kevi-bahoaka iny koa, raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna maro, ny namoahan’ny FAT tampotampoka ny androm-pifidianana, ilay didy hitsivolana 2010-013 manitatra ny ora fandatsaham-bato hatramin’ny enina ora hariva raha tamin’ny efatra ora no voatondro teo aloha, ary koa manome lalana hampiasana karnem-pokontany sy fanamarinam-ponenana handatsa-bato tamin’io andro io. Etsy ankilany dia mandeha ny resaka fa dia fikapana izay rehetra manelingelina azy no ataon’ny FAT ankehitriny, ary anisan’izany ny Profesora Ranjeva Raymond, izay efa nandroso ny “Vonjy Aina” hanavotana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, ary koa naneho ny fahavononany hitantana ny tetezamita tena izy saingy tsy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena kosa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.