Politique

Pr Ranjeva Raymond Nanao fanambarana miezinezina


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Hafa ny teo aloha, ity vao tena izy. Nanao antso avo eo anatrehan’ny firenena ny Pr Ranjeva Raymond omaly talata 12 oktobra 2010. Nisafidy ny toerana tao amin’ny La Rotonde Besarety ny tenany nanaovany ny fanambarana miezinezina fanoloran-tena hiadidy ny tetezamita tena izy, rehefa avy namahavaha ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny toerana misy ity farany sy ny Malagasy amin’izao fotoana.

Nitodika tamin’ny mpiray tanindrazana izy nilaza fa “efa 18 volana mihoatra izay no latsaka tanteraka an-katerena ny firenentsika. Tapi-dalan-kaleha isika eo amin’ny sehatry ny politika, toekarena sy ny fiarahamonina ary koa eo amin’ny sehatry ny fifandraisana amin’ireo firenena hafa. Misy ratra maro aty anatintsika ary mbola mikiky ireny zava-miseho mifandimby ireny.

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fizotry ny fiainantsika andavanandro. Mahazo laka ny baranahiny. Na ny fanajana ny lalàna velona aza dia tsy miantoka intsony ny zon’ny tsirairay sy ny fandriampahaleman’ny fiarahamonina”. Nisarika ny sain’ny maro izy nilaza fa “ny tsy fiekena fa tafalentika anatin’ny kizo ny firenena dia mitory fahajambana sy tsy firaharahaina ny mpiray tanindrazana. Hita mibaribary hatreto fa tsy nahovoka avokoa ireo saritsarim-bahaolana naroso hatramin’izao satria natao tsinontsinona ny fototra ijoroan’ny demokrasia dia ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra. Nosandohana ny tena atao hoe ara-dalàna. Nampiasaina ny herisetra na amin’ny fiteny, na amin’ny fihetsika eny hatramin’ny basy aza mba hampanginana ireo izay mba mitaraina na maneho ny heviny. Niziriziry amin’ny fisainana tari-tokana ka manilika ary mihevitra ny maro ho bodo sy bado. Notapahina ny fifandraisana nisy tamin’ireo firenena hafa ka mampitoka-monina antsika ary namotsotra ireo fanampiana madio sy ara-dalàna. Ary ny loza àry, lazaina amintsika fa tsy ilaina intsony ny fifandraisana amin’ny any ivelany satria izany, hono, ny fiandrianam-pirenena”. Hentitra ny Pr Ranjeva Raymond niteny fa “tokony hatsahatra amin’izay ny fomba sy fihetsika mamoafady toy ny tampi-maso isan-karazany, ny fanenjehana samihafa, ny fieboeboana sy fanabatiana ary ny firangorangoana”, satria “tsy izany velively no tokony ho anjaran’ny Malagasy. Tsy toy izao mihitsy no lahatra ho an’ny firenentsika”. Fanontaniana no napetrany ka nilazany fa “dia nahoana no tsy nomena hasina ny teny nifanaovana raha tany ka hanavotra marina ny firenena ?”.
 
Izy ihany no nanazava fa “tsy ny tombontsoan’ny mpanao politika samy irery na ny fifanarahan’ny sasantsasany amin’izy ireo no ahazoana manavotra ny ain’ny Malagasy ; ary tsy adidin’olom-bitsy na antokon’olona intsony ny fanavotana fa antsika rehetra”. Nandroso vahaolana avy hatrany izy, ka nanazavany fa ny fitondrana tetezamita izay arosony dia tsy mirona amin’ny olona na vondron’olona manokana fa miandany amin’ny paika mitera-bokatsoa ho an’ny besinimaro. “Ny fifampihavanana no fitsaboana fototra afaka hamoaka antsika amin’izao krizy izao ka ametrahana am-pitoniana ny Repoblika vaovao”, hoy izy. Tao anatin’izany no nanaovany antso avo amin’Andriamatoa isany Ratsiraka Didier, Zafy Albert, Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry mba hampitsahatra ny fifandonana noho ny tsy fitovian-kevitra. Nitodika manokana amin’Andriamatoa Rajoelina Andry, koa ny tenany, “mba hanolotra ny andraikitra amina Tetezamita tena izy”.
 
Fihetsika maha be voninahitra sy feno fahendrena ary adidin’olona mendrika ho an’ny Tanindrazana izany, hoy izy. Nanantitrantitra ny Pr Ranjeva Raymond, omaly, fa tsy hilatsaka hofidiana ho filohan’ny Repoblika ny tenany fa “araka ny efa voalazako dia manolo-tena hiadidy ny Tetezamita tena izy”, hoy izy namarana ny teniny.
Sokajin’olona maro, manampahaizana, mpanao politika, fiarahamonina sivily, mpandraharaha, mpiasam-panjakana ambony, tanora, vevivavy … no nanotrona azy tamin’ity fanambarana miezinezina ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT