Politique

Pr Ranjeva Raymond Manamafy fa tetezamita tsy miandany no vahaolana


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Telo taona lasa izay dia nakoraina, nafokaina, nambara ho rediredin’ny avara-pianarana ny vina naroson’ny Pr Ranjeva Raymond, heveriny hanalana an’i Madagasikara amin’izao krizy mandetika azy izao ary koa hamongorana ifotony ireo aretina mampiverimberina ny krizy eto Madagasikara.

 Tao anatin’izany no nilazany ny tokony hananganana tetezamita tsy miandany, tantanin’ny governemanta teknisianina, manana traikefa ary tia tanindrazana, handamina ny olana. Tsy nihambahamba ity Malagasy manampahaizana momba ny lalàna sady mpitsara iraisam-pirenena ity, nilaza fa tsy mahavaha olana ary tsy hamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy ny tondrozotra, fa natao hizaran-tseza hampanginana ireo mpilalao politika fotsiny ihany. Ankehitriny, hoy ny Pr Ranjeva omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia miseho avokoa ny fambara fa tsy mahavaha olana ny tondrozotra izay mametraka ny tetezamita iraha-mitantana, satria vao mainka rava ny fifampitokisana ary tsy manana fanantenana amin’ny ho avy ny Malagasy, ka mila hiraviravy tanana. Ampy izay hoy ny Pr Ranjeva Raymond.

Mila averina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, averina ho fanjakana tan-dalàna izay antoky ny filaminana sy ny fandaminana.  Samy miaiky ny rehetra ankehitriny fa tetezamita tsy miandany no lalana, ka tsy hiverina na ho lany andro hifandresy lahatra indray, fa samy mitondra ny anjara birikiny ny tsirairay hanavotana an’i Madagasikara ka hametraka azy amin’ny lalan’ny fampandrosoana. Mikasika ny lanonana hitranga eny Iavoloha, ka efa nilazan’ny fiadidiana ny tetezamita fa tsy hisy kabary politika, milaza ny Pr Ranjeva fa safidy politika ny tsy miresaka politika amin’ny fotoana toy ireny, saingy mametra-panontaniana ihany ny tenany hoe : mahamenatra sa misy zavatra manahirana ?

Britto 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT