Nisy ny faly, tsy vitsy ihany koa no diso fanantenana tamin’ny fanambaran’ny filohan’ny tetezamita afak’omaly alina tao amin’ny TVM/RNM amin’ny tsy hilatsahany hofidina filoham-pirenena.
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia niantso mpanao gazety ny avy ao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) Toliara, nanambaran’izy ireo ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’izao sy ny momba ny fanambaran’i Andry Rajoelina izay nanamafy ny teniny tamin’ny 12 mey 2010. «Tanora lahy kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany Rajoelina. Aminay tara loatra ny fanambarany», hoy ny Pr Napetoke Marcel, mpikambana sady mpiara-mitantan’ny TIM any Atsimo Andrefana, manoloana ny fihetsik’i Andry Rajoelina. Nambaran’ity mpitariky ny TIM ity tamin’ny mpanao gazety ihany koa, fa «tokony hotazomina ny tetiandrom-pifidianana napetraky ny CENIT sy ny Firenena Mikambana». Mialoha izany anefa, hoy ny Pr Napetoke dia «tsy maintsy tanterahina an-tsakany sy an-davany ny fampiharana ny tondrozotra hisian’ny tena fitoniana eto amintsika, ka hamantaran’izao tontolo izao fa firenena demokraty i Madagasikara».
«Na dia noharatsian’ny FAT foana aza i Marc Ravalomanana dia voafandriky ny nataony sy ny vavany i Andry Rajoelina ka nanaiky tsy fidiny ny fanapahan-kevitry ny SADC», hoy ingahy Napetoke Marcel tsy nitsitsy fiteny. Tany am-piandohan’ny fanonganam-panjakana mantsy, hoy izy hatrany nanohy ny fanazavany dia nihevitra Rajoelina fa ho vita mora fotsiny ny raharaha ary dia niniana nitarina ny tetezamita mba hanangonan-karena. «Samy hotsarain’ny tantara isika», hoy ity mpampianatra mpikaroka ity namarana ny teniny.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.