Mifameno ary mifanohana izahay sy ny avy eo anivon’ny dinika fanavotam-pirenena (DFP), hoy ny profesora Jeannot Ralph, isan’ireo tekinisianina mamolavola ilay boky hoe “Madagascar, le changement” ao anatin’ilay hetsika politika Tolona ho fanorenana ifotony (TFI).
Ho hatevenina ho lasitra anaovana ny fanorenana ifotony ity boky ity, hoy ny tenany, ary tekinisianina maro avy eo anivon’ny fitondram-panjakana sy avy aminay no nanoratra tao anatiny. Ho entina mitety faritra izy io ary tsy maintsy ho voarakitra ao anatiny fandraisan’anjaran’ny isam-paritra sy ny sokajin’olona rehetra manerana ny nosy. Tsy ny maha mpanohitra na mpanohana ny fitondrana intsony, hoy izy, izao no tokony ho resaka fa izay hitadiavana vahaolana ho an’ny Malagasy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.