Raha samy miandry izay fanelanelanana hataon’ny CNOSC ny rehetra dia tsy honohono intsony koa fa miha matotra ilay “Forum - Ny hevitry ny maro mahataka-davitra” omanin’ny CSR-AN (Comité pour la Sauvegarde de la Réfondation Authentique de la Nation), tarihin’ny Pr Richard Blanche Nirina.
Araka ny taratasy fampahafantarana tonga teto amin’ny efitra fanoratana dia hisy ny fivoriana fanomanana io “Forum” io, hatao eny Ambatobe (enceinte Galerie Pharmacie d’Ambatombe) amin’ny tolakandron’ny zoma 15 oktobra ho avy izao. Fandrafetana ny listry ny mpikambana sy ny firafitry ny komity mpanomana ny Forum no ho lahadinika amin’io fotoana io ary koa ny famaritana ny iraka sy ny andraikitra hosahaniny. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny Pr Blanche Nirina Richard notaterina teto amin’ny Tia Tanindrazana ny zoma 24 septambra 2010 dia misafotofoto amin’ny olona ny raharaha ankehitriny. Tsy fantatra intsony eto hoe : iza no manao inona, iza no mampikatso ... ? Koa tonga ny fotoana, hoy ny CSR-AN. Haravona ny hevitra rehetra, ka hatao ny “Forum”. Araka ny fanazavany ihany dia samy hanao tatitry ny fehin-keviny na mampahalala ny dingana vitany mikasika ny famahana ny krizy ny ankolafy tsirairay.
Izay no ho antom-pisian’ity komity mpikarakara hatsangana ity hanomana ny sehatra hanatanterahana izany. Hanana solontena ao ny foloalindahy, izay efa nanao fikaonan-doha manokana ho azy ireo (assises militaires) ny taona 2009. Hanana ny azy koa ny tanora, izay efa nahavita fihaonambe tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny taona 2009. Toy izany koa ny FFKM sy ny fikambanam-pinoana hafa, ary samy hanana solontena ao koa ny fiarahamonim-pirenena sy ny antoko politika. Ireo no mifanaiky fa hiaraka hikarakara fihaonambe hanaovana io tatitra io. Nanamafy ny Pr Blanche Nirina fa mila mifanazava, mifampihaino sy miaraka mitady vahaolana isika samy Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.