Politique

Pr Blanche Nirina Richard “Tsy ny FAT no handidy sy hanapaka ny hoavin’ny firenena”


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Tsy andraikitry ny fitondrana tetezamita mihitsy ny mifanaraka amin’ny any ivelany mikasika ireo tetikasa goavana, tahaka ny fitrandrahana vy ao Soalala, araka ny nambaran’ny Pr Blanche Nirina Richard, izay manampahaizana momba ny toekarena.

Ny fampandehanan-draharaha sy ny fikarakarana ireo fifidianana tokony hotanterahana no tena asa himasoan’ny fitondrana tetezamita, araka ny filazany. Tena tsy mety, hoy ihany i Blanche Richard raha fitondrana izay tsy eken’ny rehetra no mandidy sy manapaka ny hoavin’ny firenena. Mila fandinihana lalina ara-teknika ara-toekarena ary ara-politika ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany goavana, tahaka ny ao Solala, fa tsy azo atao maimaika, araka ny nambarany ihany. Tsy asa maimaika ao anatin’ny herinandro vitsivitsy izany fa tena mila fijerena amin’ny antsipirihany ny zava-drehetra mialohan’ny hanasoniavana ny fifanarahana sy hisian’ny fandoavam-bola, araka ny filazan’i Blanche Nirina Richard ihany.

Ankoatr’izay dia nanizingizina izy, fa na dia tsy manana ny fitaovana rehetra hahafahana mitrandraka ireo harena an-kibon’ny tany aza isika malagasy, dia tokony manana ny hevitra sy ny paikady kosa, hahafahana mandresy lahatra ireo orinasa vahiny goavana tonga eto, mba tena hiara-miombon’antoka amintsika marina ka ahitan’ny vahoaka malagasy tombotsoa, hanatsarana ny fiainany ireo tetikasa goavana misy eto sy izay mety mbola ho avy atsy ho atsy. Nanaitra ny sain’ny rehetra ihany koa moa i Pr Blanche Nirina Richard fa tokony hahay hifandamina tsara isika samy Malagasy, mba tsy hitovizan’i Madagasikara amin’ireo firenena afrikana maro, izay hanjakan’ny herisetra sy ny ady an-trano, noho ny fisian’ny harena an-kibon’ny tany ao aminy. Tsy tokony ho lany andrço mifanenjika isika, hoy ihany izy fa mifanakalo hevitra sy mifampidinika momba ny hitantanana ireo fitrandrahana govana eto sy hitsinjarana mitovy ny soa azo avy aminy ho an’ny faritra tsirairay avy manerana ny Nosy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT